Nahavita fianianana teny amin’ny fitsarana an-tampony Anosy ireo mpitsara 8 mianadahy mpikambana ao amin’ny fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES (Cour Electorale Speciale).
Ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Jean Michel Rajaonarivony no filoha mitarika ity rafitra ity. Araka ny nambaran’ity farany dia miasa avy hatrany ny CES vantany vao nahavita ny fianianana, ka asa voalohany miandry azy ireo ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida filoham-pirenena manomboka ny alatsinainy ho avy izao. Tsara homarihana fa rafitra vonjimaika ihany ny fitsarana manokana momba ny fifidianana, ka hitsahatra tanteraka amin’ny asany vantany vao vita ny fifidianana ato anatin’ny fitondrana tetezamita. Nanamarika ihany koa i Jean Michel Rajaonarivony fa ireo heverina fa sangany sy manana traikefa, indrindra avy amin’ny rantsam-pitsarana rehetra misy eto amintsika no mandrafitra ny CES, araka ny fifidianana nataon’ny fianakaviamben’ny mpitsara tamin’ny oktobra 2012.
Teknika sy lalàna madiodio ny resaka eto fa tsy misy idiran’ny politika. Ekena na lavina araka ny lalàna manankery ny antontan-taratasin’ireo kandida. Nambaran’ny filohan’ny CES ihany koa fa tsy misy fiantraikany amin’ny fandinihana ny antontan-taratasy mihitsy ny sazy mihatra amin’ireo 109 mianadahy navoaky ny vondrona Afrikanina tamin’ny 2009 ary mbola manankery hatramin’izao, ny lalàmpanorenana lany tamin’ny 17 novambra 2010, hoy izy no mihatra ka io no fototra iaingan’ny fandinihana ireo dosie. Nanatrika ity lanonam-pitsarana ity moa, omaly maraina ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina sy ireo filohan’ny andrim-panjakana rehetra ato anatin’ny fitondrana tetezamita, notronin’ny manampahefana sivily sy miaramila maro samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.