Politique

CES Hevitry ny OIF no nananganana azy


  • Alatsinainy 20 Mey 2013

Mbola mitana ny sain’ny maro ary adihevitry ny mpahay lalàna, eny fa na ny olon-tsotra aza ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina na CPS nivory tany Addis Abeba ary nivoaka ny 16 mey teo.

 Etsy an-daniny, ny CPS dia manery ny hisintahan’ny kandida isany Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Etsy an-kilany anefa izy ireo miantso ny mpanao politika malagasy hanaja sy hampihatra ny tondrozotra. Ny tsy mbola tanteraka amin’ny fampiharana ny tondrozotra anefa dia famelana malalaka ireo sesitany politika hody an-tanindrazaka sy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena, ny fanalalahana ny haino aman-jery sy ny asa fanaovan-gazety, ny fampitsaharana ny fanenjehana ny mpanohitra sy famoahana ireo gadra politika. Ankoatra izay, ny fotokevitra nandrafetana ny tondrozotra dia ny hamelana malalaka ny besinimaro handray anjara amin’ny fifidianana mba haneken’ny besinimaro ny voka-pifidianana. Na ny CSP aza talohan’ny fanambarany ny 16 mey dia nampirisika ny hahafahan’ny besinimaro handray anjara amin’ny fifidianana, ka mba mahagaga ihany raha milaza zavatra mifanohitra indray izy ireo ankehitriny.

Ankoatra izany ny sehatra iraisam-pirenena, raha tarafina amin’ny andininy faha-45 amin’ny tondrozotra dia milaza fa manaja ny fiandrianana sy fahaleovantenan’ny fitsaran’ny tany mpikambana. Fitsarana ny CES nankato ny filatsahan-kofidian’i Lalao Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, ka maninona no terena hisintaka indray ireo ankehitriny ? Tsiahivina fa ny CES no mijoro ho rafitra ao anatin’ny HCC dia hevitry ny OIF na Vondron’ny tany miteny frantsay. Koa rehefa lavin’ny satan’ny demokrasia afrikana tsy hahazo hilatsaka ve i Andry Rajoelina satria nanongam-panjakana ary izy no olan’ny CPS dia ny hafa no terena tsy maintsy hizaka ny helony ? Dia aiza ilay fahalalahana sy fanajana ny zon’olombelona dradraina ? Sao mba tokony hieritreritra ny CPS sy ny Troika-SADC ary ny Vondrona Eoropeanina. Tsy azo tsinontsinoavina ireo vahoaka marobe ao andamosin’i Lalao Ravalomanana raha tsy hiteny afa-tsy ny azy. Hatao ahoana ireo ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT