Mitodika eny Ambohidahy ny mason’ny mpanara-baovao maro amin’ity anio ity. Hifarana anio amin’ny 4 ora hariva mantsy ny fara-fandraisana eo anivon’ny firaketan-tsoratry ny CES ny fametraham-pialan’ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 24 jolay 2013, izay didin’ny lalàna ny hametrahany fialana amin’ny asany.
Koa samy miandry ny rehetra hoe : iza avy izy ireo, satria misy ny malaina hiala, ao ny manao be marenina fotsiny izao ? Inona no fanapahan-kevitra horaisin’ny CES aorian’izay, indrindra manoloana ireo tsindry samihafa na avy any ivelany na avy ato anatiny ? Eo ny faneren’ny sehatra iraisam-pirenena ny hisintahan’ny kandida isany Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka, ary mitatra amin’ireo nandray anjara tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 raha ny fehin-kevitry ny Filankevi-pilaminana sy ny fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina na CPS farany teo.
Ato anatiny indray ny FFM, CSC ary ny Tafika dia mangataka ny hiverenan’ny CES amin’ny fanapahan-keviny tamin’ny 03 mey 2013 ka hamoaka lisitra kandida vaovao ary koa mangataka ny hanemorana iray volana ny fifidianana. Re siosio fa hivory ny CES anio ary mety hamoaka fanapahan-kevitra vaovao. Eo no mampisy ahiahy, satria raha ny tokony ho izy dia fandinihana ny raharaham-pifidianana izany hoe : fikirakirana ny voka-pifidianana sy famoahana ny vokatra ofisialy ary ny fandinihana ireo fitoriana manodidina ny latsa-bato indray no asa manaraka miandry ny CES, raha tsy hoe mahita tranga tsy azo anoharana hambara angaha ireo mpitsara mpikambana ao, hanamarinana ny fanemorana ny fifidianana.
Tsy afaka manira-tena samirery handinika ka hamoaka fanapahan-kevitra momba izany anefa ny CES, fa miankina amin’ny fangatahan’ny governemanta na ny CENI-T izany. Ny CENI-T anefa raha ny filazany tamin’ny zoma 24 mey teo dia mitazona ny datin’ny 24 jolay. Midika izany fa tsy manana olana amin’ny hanatanterahana ny fifidianana izy ireo. Any amin’ny governemanta izany ny tohiny, izany hoe : miandry izay hambaran’ny filankevitry ny governemanta rahampitso. Mamofompofona zavatra hafahafa ny ankoatra izay. Hafakely rahateo anefa moa ity CES ity. Ny filohany mantsy no hany afaka mampivady asa, sady filohan’ny HCC no filohan’ny CES nefa ny tompon’andraikitra rehetra ato anatin’ny tetezamita hatramin’ny filohan’ny andrimpanjakana dia tsy afaka mampivady asa. Ankoatra izay dia fantatra fa tsy nisy nanao fanambaram-pananana na iray aza ireo mpikambana ao amin’ny CES. Amin’ny maha mpitsara azy ireo anefa dia tokony hanao io fanambaram-pananana io. Inona ary no mampihenahena azy ireo ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.