Politique

Cercle de Réflexion des Jeunes pro-Ravalomanana Ilaina ny fihaonana an-tampony handravonana ny olana


  • Alakamisy 08 Desambra 2011

Vondrona mamakafaka ny raharaham-pirenena, ny amin’izay hampandrosoana azy, hivoahana amin’izao krizy izao ny Cercle de Réflexion des Jeunes pro-Ravalomanana.

 Amin’izao toe-draharaha izao dia ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana no foto-keviny ary izay rehetra resy lahatra amin’izany dia afaka miara-dia amin’ity vondrona ity. Raha ny fahitan’ny Cercle de Réflexion des Jeunes pro-Ravalomanana ny fampiharana ny sori-dalana amin’ny ankapobeny àry dia nambarany fa tsy narahina araka ny tokony ho izy ny lalan-tsain’ny sori-dalana tamin’ny fametrahana ny praiminisitra, ny governemanta ary ny Parlemanta. Mahakasika ny fandrafetana ny governemanta manokana, ohatra, dia nambaran’ity vondrona ity fa nisy tsindry lehibe nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny Praiminisitra Beriziky ka nahafahany nandika ny andininy faha-5 amin’ny sori-dalana.

Tsy voahaja tanteraka ny fisian’ny fifanarahana, ny fifandanjam-pahefana tamin’ny fananganana io governemanta io, satria ny ministera 23 amin’ny 35 dia nomena ireo antoko mpomba sy manohana an’i Andry Rajoelina avokoa. Ny 12 ihany no nozaraina tamin’ny ankolafy Zafy sy Ravalomanana ary ny Monima. Ankoatra izay dia nambaran’ity fikambanana ity fa mbola tafaverina ao anatin’izao governemanta izao avokoa ireo minisitra maromaro izay voamarina ary voaporofo fa nanao fitantanan-draharaha tsy mazava. Ny fanesorana ireo minisitra ireo anatin’ny governemanta iraisana anefa dia anisan’ny fepetra lehibe napetrak’ireo mpamatsy vola mba hitohizan’ny famatsiana. Mety ho sarotra ny hahazoantsika famatsiam-bola, indrindra fa ny fankatoavana iraisam-pirenena raha mbola mijanona ao ireo olona ireo. Voamarina fa tsy nanaja ireo fepetra rehetra voalazan’ny tondrozotra ny fananganana ny Governemanta, ary mbola miezaka manohy ny fitantanana taritokana i Andry Rajoelina.

Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia manameloka ary mampitandrina ireo tsy maty voalavo an-kibo ka mandrahona fisamborana ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny fianakavian’ny Filoha Marc Ravalomanana ny Cercle de Réflexion des Jeunes pro-Ravalomanana. Miantso ireo miaramila tandroka aron’ny vozona koa handray ny andraikiny manoloana ny fahapotehan’ny firenena. Ankoatra izay dia miantso ny Filoha Ravalomanana hody eto an-tanindrazana ato anatin’ny fotoana fohy dia fohy satria efa niandrandra hatry ny ela izany ny Malagasy. Miantso ny Troikan’ny SADC koa izy ireo handray ny andraikiny manoloana izany. Miantso ny Praiminisitra hanome baiko hamoahana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra tsy misy an-kanavaka, ny fampodiana ny filoha ary ny hanokafana ny haino aman-jery rehetra izay nakatona. Ho an’ity vondrona ity dia ilaina ny fihaonana an-tampony noho ireo antony goavana ireo. Atao tanjona lehibe ao anatin’izany ny fananganana ny rafitry ny tetezamita rehetra, ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny Firenena ary ny fanombohana ny tena fampihavanam-pirenena marina tsy misy fanilikilihina.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT