Vaovao andrasan’ny rehetra amin’ity talata ity ny famoahan’ny CENIT ny tetiandron’ny fifidianana izay hotanterahana ato anatin’izao tetezamita izao.
Tamin’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety herinandro lasa izay, dia nanatsidika i Andry Rajoelina fa mitontona volana janoary ny fifidianana raha hajaina ilay valo volana hiomanana nambaran’ny Firenena Mikambana. Azo atao tsara anefa, hoy izy, ny mifampiresaka sy mifanaraka raha toa ka aroso mialoha izy io, izany hoe tanterahana amin’ity taona 2012 ity ihany. Taorian’io dia niteny koa ireo antoko sy fikambanana manohana ny tetezamita, anisan’izany ny TGV izay naniry ny hisian’ny fifidianana faran’izay haingana. Misimisy ihany koa ny fanehoan-kevitra mitaky ny hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity ihany mba tsy hitaran’ny tetezamita indray. Ary farany teo raha nihaona tamin’i Eduardo dos Santos, filoha Angoley sady filoha am-perinasan’ny SADC i Andry Rajoelina dia mbola nanamafy fa maika amin’ny fifidianana i Madagasikara.
Tafiditra tsara ao anatin’ny lôjika izany ny fanambarana hataon’ny CENIT anio tolakandro mifandraika indrindra amin’izay datim-pifidianana izay. Mbola ankamantatra ho an’ny rehetra moa ny hoe inona ny fifidianana hotanterahana. Ao ireo mahita fa hiroso amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka aloha izika mba hahamarin-toerana tsara ny Parlemanta sy ny fanaovana lalàna eto. Misy koa anefa ireo mihevitra fa fifidianana filoham-pirenena no tokony hotanterahana mialoha satria mila manana tompon’andraikitra voalohany mitantana azy ny firenena. Heverina fa hanamaivana kokoa ny asa atao amin’ny fampihavanana sy fanarenana ny firenena ihany koa ny fisian’io filoha voafidim-bahoaka io.
Ao koa ireo milaza fa ny filoha no nambara fa tsy tian’ny vahoaka intsony teto ka narodana, dia io no nahatonga ny krizy, ka noho izany dia filoham-pirenena no tokony hofidiana voalohany mba hanambaran’ny vahoaka ny safidiny vaovao. Teknisiana no maro an’isa ao amin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita (CENIT) tarihan-dRtoa Attalah Béatrice, koa inoana fa efa nandinika tsara ny fomba hanatanterahana ny fifidianana izy ireo, ary mahafantatra tsara ihany koa ny zava-misy eto, ka handray fanapahan-kevitra hahasoa marina ny firenena. Lafiny teknika tanteraka moa ny an’ny CENIT koa dia hamoaka ny daty sy hilazalaza ny zavatra mety ho atao amin’ny fanomanana sy fikarakarana izany fifidianana izany fotsiny ry zareo, anjaran’ny fitondrana tetezamita kosa ny mandray ireo fanapahan-kevitra politika ilaina amin’ny fampitoniana marina ny firenena, satria raha mbola misy ny fitokonana sy savorovoro etsy sy eroa, raha tsy tanteraka ny fampodiana ireo sesitany raha mbola misy ny gadra politika sy fanenjehana ny mpanohitra dia fandanian’andro fotsiny ny eritreritra hanao fifidianana madio sy mangarahara izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.