Toa misafotofoto be ihany ny fomba fananganana ilay vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, ny zavatra nataon’ireo mpikambana teo aloha tsy mazava tsara akory, dia izao efa miteraka adihevitra be izao ny fampidirana sy fisafidianana ireo vaovao.
Nisy ny fe-potoana napetraka tany am-boalohany, nahemotra indray avy eo, kanefa mbola misy tsy nahafidy ny solontenany ihany. Tsy nihambahamba moa ny minisitry ny atitany Florent Rakotoarisoa nilaza fa afaka miasa tsara ny CENI na dia tsy mbola feno aza ny mpikambana ao aminy. Eo no somary manaitra kely satria efa niaraha-nahita ihany ny tsy fetezan-javatra nataon’ny CENI teo aloha. Hita taratra ihany ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana, tsapa fa mbola mitavozavoza sy tsy mahafehy ny asany ireo mpikambana ary ny fialana bala moa dia ny hoe : tsy ampy ny tetibola, tsy ampy ny fitaovana sy ny olona ary tena tsy ampy mihitsy ny traikefa sy ny haizatra. Ilay fitsapan-kevi-bahoaka tamin’ny 2010 aloha izao no hitsarana ny CENI, be loatra ny tandrevaka sy ny tsirambina, karnem-pokontany no nentina nifidy, nikorontana ambony ambany ny lisi-pifidianana. Tena saropady ity vaomiera iray ity, satria iankinan’ny fiainan’ny firenena amin’ny ankapobeny.
Tsy misy afa-tsy fifidianana ihany mantsy no vahaolana farany tsy maintsy atrehana amin’ny famahana izao krizy izao, koa raha mampanahy ny maro tahaka izao ny CENI, hikarakara izany dia azo antoka fa tsy maintsy hisy indray ny tsy hanaiky ny voka-pifidianana hivoaka eo, dia ho lasa Cote d’Ivoire ho azy i Madagasikara. Na izany aza anefa dia maro ihany ny olom-pirenena miandry zavatra goavana amin’ny asan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, satria voalohany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisy izany teto. Manahirana tokoa mantsy ny hieritreritra hoe mbola ny fitondram-panjakana ihany no hikarakara fifidianana, dia ho avy ny fipasohana daomy isan-karazany. Ny andrasan’ny maro amin’ny CENI fotsiny dia ny hoe mba tena hanana soatoavina sy fitsipi-pitondran-tena matotra ireo mpikambana sy miasa ao, ary tonga saina tsara mihitsy fa miankina amin’izy ireo ny hampilamina na hampikorontana ity firenena ity atsy aoriana kely atsy. Efa nahita lesona maro tamin’ny nitranga tatsy Afrika momba ny fifidanana isika. Manantena ireo olom-pirenena tsotra fa mahalala sy mahatsapa tsara ny maha saropady ny andraikitra hiantsorohan’izy ireo ny mpikambana ao amin’ny CENI ka tena hiasa ho an’ny firenena marina fa tsy hiasa ho an’ny …ankolafy niaviany tsirairay avy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.