Manjavozavo tanteraka hatreto ireo andraikitra sahanin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI-T) sy ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (CES) voalazan’ny lalàna.
Ilay atrikasa niarahan’ireto andrim-panjakana roa ireto izay notohanan’ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo firenena miteny frantsay sy ny Vondrona eoropeanina mandritra ny 4 andro izay hifarana anio anefa dia namaritra mazava ny anjara asan’ny tsirairay. Lohahevitra lehibe nojerena tamin’io ny fitantanana sy fisorohana ny fifanolanana mialoha sy mandritra ny fifidianana ka hampirindra ireo asa mila tontosaina miaraka. Aorian’ity fifampizarana traikefa niarahana tamin’ireo manampahaizana iraisam-pirenena avy any Bénin sy Sénégal ity dia mbola hanatanteraka fiofanana sy fanentanana mikasika ireo voka-dratsin’ny tsy fifehezana ireo fomba amam-panao tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna mamaritra ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny CENI-T sy ny CES toy ny tsy fanasoniavana ireo tatitra mamintina ny fizotry ny fandatsaham-bato, ny fanoloana tsy ara-dalàna ireo mpikambana ao amin’ny birao fandatsaham-bato na koa ny dika vilana amin’ireo lalàna mifehy ny fifidianana sy ny maro hafa. Tafiditra ao anatin’ny fanajana ny voalazan’ny PACEM na ilay fandaharan’asa fanohanana ireo dingana amin’ny fanatontosana ny fifidianana eto Madagasikara moa izany rehetra izany. Betsaka tokoa ireo asa sahanin’ireo andrim-panjakana manokana miandraikitra ny fifidianana eto amin’ny firenena ka handrasan’ny maro ny fahatanterahan’izany an-tsakany sy an-davany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.