Velon-taraina tanteraka omaly ny filohan’ny CENI-T Rtoa Atallah Béatrice raha nanambara fa hampiato ny famatsiam-bolany amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny Vondrona Eoropeanina, izay efa nampanantena fa hanome 7,5 tapitrisa euros.
Ny alakamisy hariva, araka ny fitantarany no niantso ny CENI-T ny Vondrona Eoropeanina sy ireo firenena eoropeanina sasany nilaza fa hampiato ny fandrotsahany vola ao anatin’ilay «Basket Fund» izy ireo.
Tohin’ny lojikan’ilay fanambaran’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, miantso ny fialana an-daharan’ireo kandida telo moa izao fanapahan-kevitra izao. Mety ho tandindomin-doza, araka izany, ny fanomanana ny fifidianana, indrindra fa ny fanontana ireo bileta tokana 9 tapitrisa. Nampatsiahy Rtoa Atallah Béatrice fa tsy maintsy tonga any Copenhague – Danemark ny alatsinainy 20 mey ho avy izao fara fahatarany ny endrik’ilay bileta tokana hatonta raha toa ka tiana ho tafaverina eto Madagasikara hatramin’ny 25 jona, mba hahafahana manaparitaka azy ara-potoana manerana ny Nosy sy hanajana ilay datin’ny 24 jolay hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Raha sanatria izany ka tsy voahaja io daty io dia hihemotra indray ny fifidianana satria tsy vita ara-potoana ny bileta tokana hampiasaina. Nanao antso avo amin’ny mpanao politika mba hiresaka sy hifandamina faran’izay haingana ny CENI-T mba tsy ho maty momoka ny ezaka rehetra natao hatramin’izay amin’ny hiatrehana fifidianana madio sy mangarahara. Handeha ho any ivelany mba hiaro ny tetiandrom-pifidianana efa napetraka Ramatoa Atallah Béatrice. Mafy ny asa miandry kanefa tsy kivy izahay, hoy izy fa tsy maintsy hanao izay azo atao rehetra hahafahana manaja ny datim-pifidianana efa nifanarahana. Tsapa ho somary nanome tsiny ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana (CSP) ao amin’ny Vondrona Afrikanina noho ilay fanambarana navoakan’ity farany ny alakamisy teo moa ny filohan’ny CENI-T. Nametra-panontaniana izy hoe : nahoana no izao vao navoaka ny fanambarana tahaka ireny, ny fotoana anefa efa tena antomotra amin’ny fanomanana ny fifidianana ka dia io fa mikorontana ny zava-drehetra ?
Tantara efa niseho
Mampatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny volana janoary sy febroary tamin’ity taona ity izao zava-misy izao. Nanome toky ny CENI-T tamin’ny novambra 2012 fa tsy maintsy hisy fifidianana ny 8 mey 2013. Nambara fa efa mizotra tsara ny fiomanana ara-teknika rehetra. Taty amin’ny faramparan’ny volana janoary 2013 anefa dia tsikaritra fa mitarazoka ny fandrafetana ny lisi-pifidianana. Ny fiandohan’ny volana febroary dia nisesisesy ny fivoriana nataon’ny CENI-T niaraka tamin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny mpanao politika. Nambara avy eo fa hahemotra ny datim-pifidianana satria tsy voahaja ny fe-potoana tokony ho nanatanterahana ny asa fanomanana. Ankehitriny dia ny vola ampiasaina mihitsy ity no nandrimbinana, ary mandrangaranga ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy ankasitrahany ny fifidianana atao eo raha toa ka kandida i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Hanezaka mafy handresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena ary ve Ramatoa Atallah Béatrice mba tsy hanapaka ny famatsiam-bola, sa handresy lahatra ireo kandida telo ireo mba hitsoaka an-daharana ? Nisy anefa ny fotoana nanambaran’ny filohan’ny CENI-T fa fifidianana hahafahan’ny rehetra mandray anjara no antoky ny fitoniana eto. Tena sarotra ny toe-draharaha kanefa mila vahaolana faran’izay haingana fa raha tsy milamina ato anatin’ny roa andro izany ity resaka famatsiam-bola ny «basket fund» sy ny fanotana ny bileta tokana ity dia, atao ahoana moa fa tsy maintsy hihemotra indray izany ny fifidianana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.