CENI-T

> Hotsarain’ny tantara


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2013

Amin’izao efatra andro mialoha ny fifidianana izao dia mbola maro be ny olom-pirenena, ampy taona tsy mbola nahazo kara-pifidianana, na eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina io na any amin’ny faritra maro samihafa manerana ny Nosy.

Tsara ho fantatra mantsy fa milahatra araka ny anarana ny kara-pifidianana, fa tsy araka ny adiresin’ny trano fonenana ny karatra avy any amin’ny CENI-T. Midika izany fa tsy maintsy mbola manavaka isaky ny adiresy indray aloha ny ao amin’ny Fokontany, izay vao mandeha mizara izany. Noho ny fahateren’ny fotoana dia mety hisy Fokontany tsy hahavita mizara hatramin’ny farany ny kara-pifidianana hatramin’ny alakamisy. Tsipihana mazava tsara anefa fa izay olona voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana izay nifaranana tamin’ny 9 oktobra ny fanamboarana azy, no mahazo karatra. Ny kara-pifidianana sy ny kara-panondrom-pirenena no tsy maintsy entina rehefa mandeha. Tsikaritra koa anefa ho an’ireo olona efa nahazo kara-pifidianana ny herinandro lasa teo fa maromaro ihany ny fahadisoana. Nisy, ohatra, ny hoe 4 ny mpifidy ao amin’ny tokantrano iray, kanefa karatra 6 samy mitondra ny adiresin’io tokantrano io no tonga ao, manginy fotsiny ny tsipelina diso.

Efa tany amin’ny volana jona no nilaza Rtoa Atallah Béatrice fa efa vonona ny CENI-T, ary efa natao ny ezaka rehetra hahalavorary ny fiatrehana ny fifidianana. Volana oktobra isika izao, ho avy tokoa ny fifidianana, saingy mipoitra ny olana ara-teknika izay mety hanahirana ihany. Tena ho tsarain’ny tantara ny CENI-T amin’ity resaka fifidianana ity, izay heverina fa fifidianana handaniana vola be indrindra sy hampiasana ny fitaovana faran’izay raitra indrindra, hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto Madagasikara. Raha ny fitaovana eo am-pelatanana sy ny olona ampiasain’ny CENI-T dia ao anatina andro vitsy, tsy iray herinandro akory aza dia efa tokony hisy ny vokatra vonjimaika mivoaka, hahafantarana ny isam-bato azon’ny kandida tsirairay avy; ny CES kosa anefa no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT