Politique

CENI sy ny HCC Lasa fitaovan`olom-bitsy ve ?


  • Alatsinainy 04 Febroary 2019

Tsy mamparisika ny olom-pirenena manana zo hifidy loatra ny fanamarinana na ao anaty lisi-pifidianana 4 na tsia satria maro no mihevitra fa na iza na iza lany eo dia tsy voahaja ny safidiny.

 

 

 

 Olana foana aloha no hita dia ny lisi-pifidianana, kara-pifidianana, voka-pifidianana, bileta tokana, birao fandatsaham-bato izay tsy fantatra mazava ny mason-tsivana namoronana azy ireo. Mila harenina ny lesoka tamin`iny fifidianana farany teo iny. Tsy mahatoky ireo rafitra misahana ny fifidianana ny olona amin’ny fifidianana manaraka. Mampieritreritra mihitsy ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (CENI). Novaina sahady ny lalàna mikasika ny fifidianana solombavambahoaka izay vao lany tamin`ny volana aprily 2018 lasa teo. Fa izy ity ve kilalaon-jaza e ? Tsy ny fomba fiasa no hasian-teny fa ny olona mandrafitra ity rafitra ity mihitsy. Ny depiote Felix Randriamandimbisoa aza dia efa nanao antso avo amin`ny tokony hanavaozana ireo olona mandrafitra ny CENI. Raha tiana hangarahara ny fifidianana, hoy izy, dia ovaina ny mpikambana ao amin`io rafitra io. Nahoana moa i Hery Rakotomanana no miverina filoha nefa efa tao anatin`ny CENI-T ? Tsy mahatoky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana eo amin’ny famoahana ny voka-pifidianana ihany koa ny olona satria ny didy rehetra navoakany momba ny fandikan-dalàna nataon’ny mpitondra dia tsy misy mitaratra ny fahamarinana fa niandany hatrany.  Tsaroana tsara ny fanambaran`ny filohan`ny HCC, Jean Eric Rakotoarisoa, amin`ny fanaratsiana rafitra mandritra ny fifidianana. Tsy rafitra no resaka fa ny olona mandrafitra an`ireo rafi-panjakana. Lasa fitaovan`ny olom-bitsy ny CENI sy ny HCC amin`izao ary hitam-poko sy hitam-pirenena. Ahiana hihena ny taham-pahavitrihana noho ny tsy fahatokisan’ny vahoaka mpifidy ireo rafitra ireo. Ny azo antoka dia tsy hisy hahatoky voka-pifidianana amin`ny fifidianana manaraka raha tsy mifona ampahibemaso izy ireo, miaiky ny tsy mety ary manome toky fa hanova famindra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT