Foana rehefa nahemotra in-droa miantoana ny fifidianana izay ho solotenan’ny mpanao gazety eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI.
Saika hatao tamin’ny alarobia 15 febroary teo izy io, saingy nosembanin’ilay rivodoza Giovanna ka tsy tontosa. Anio zoma 17 febroary indray no noeritreretin’ireo mpikarakara hanatanterahana ilay fifidianana saingy fantatra tamin’ny ora farany fa dia hahemotra ho amin’ny fotoana manaraka, tsy mbola voafaritra io fifidianana izay saika hatao hazakazaka arahin-tosika io. Niteraka adihevitra be sy tsikera mavaivay teo amin’ny samy mpanao gazety ny fikasana hanatanterahana fifidianana hamantarana izay ho solotenany eo anivon’ny CENI ity. Raha ny voalazan’ny lalàna manangana ny CENI mantsy dia solontena iray avy amin’ny holafitry ny mpanao gazety no solontenan’ireto farany ao. Tapitra anefa izay ny telo taona fotoam-piasan’ny holafitra farany ary tsy mbola nohavaozina hatreto. Rehefa izay dia fikambanana no najoro ho mpikarakara ilay fifidianana saika hatao ity. Eo dia efa olana, satria fikambanana na vondrom-pikambanana dia mahasolo holafitra na oviana na oviana. Koa raha nisisihana natao ny fifidianana dia efa fandikan-dalàna voalohany iny. Faharoa, betsaka ireo mpanao gazety matihanina, tsy mbola nahazo na tsy nomena tsotra izao kara-panondroana maha mpanao gazety, izay nokarakarain’ny ministeran’ny serasera tamin’ny taon-dasa 2011 iny. Dikany, misy mpanao gazety verezin-jo tsotra izao ! Mampahatsiaro ny zava-nitranga tamin’ny 2002, namindrana ny HCC tany Mantasoa izy ity. Nisy mpitsara nailika tsy ho kandida nifantenana izay ho solontenan’ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature) handrafitra ny HCC tamin’izany. Raikitra ny gidragidra. Tonga teny amin’ny Fitsarana Tampony ny raharaha ary dia niaraha-nahalala ny niafarany. Foana ilay HCC Mantasoa ! Mety ho tonga any amin’izany ity raharahan’ny mpanao gazety ity, raha misisika hanao fifidianana, tsy karakarain’ny holafitra, ny fifidianana izay solontenan’ny mpanao gazety eo anivon’ny CENI. Hatry ny omaly dia fito no fantatra fa mpanao gazety kandida, ary mandeha ny filazana fa tsy hiova io isa io, na dia mbola hisy aza ny fijerena ireo mpanao gazety tsy mbola nahazo karatra maha matihanina. Mbola endrika fanilihana sy famerezan-jo indray koa io, raha mbola hisy ihany ny fanomezana karatra ireo tsy mbola nahazo izany. Ka eo no mahatonga ny resabe mandeha ankehitriny hoe, misy kandida tiana halefa fotsiny angaha any ho any no anaovana kajikajy sy bahambahanana toy izao ny raharaha ? Mbola hitohy !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.