Vina lavitr’ezaky ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana hatramin’ny taona 2021 ny «fitantanam-pifidianana azo antoka sy demokratika».
Mifantoka amin’ny teboka 4 ny drafitrasa hotanterahan’ny Ceni hanatrarana io fomba fijery io, hoy ny filohany Rakotomanana Hery. Voalohany ny fanamorana ny fisitrahan’ny olom-pirenena rehetra ny zo hifidy. Faharoa ny rafi-dalàm-pifidianana mafonja sy mifanaraka tsara amin’ny zava-misy. Fahatelo ny lisi-pifidianana azo itokisana hanome ilay isan’ny mpifidy Malagasy 10 tapitrisa mahery amin’ny taona 2018. Fahefatra farany ny ahatongavan’ny Ceni ho mahaleotena, mahay miasa ary matihanina. Tsy ho tanteraka anefa ireo raha tsy mahatsiaro tena ho tompon’antoka amin’ny dingana momba ny fifidianana rehetra ny olom-pirenena tsirairay, araka ny fanazavan’ny lehiben’ity rafitra misahana ny fifidianana ity. Antony hampijoroana ny vovonana fikaonandohan’ireo mpiantsehatra marolafy ahitana ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy mpamatsy vola, ireo lehiben’ny trano fikirakiram-baovao, ireo fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny fanjakana ary ireo antoko politika. Asa maika tontosain’ny Ceni miaraka amin’ireo manampahaizana manokana malagasy sy vahiny moa ankehitriny ny fandrindrana lalàm-pifidianana mangarahara.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.