Politique

CENI Madagascar 73 Miliara Ariary no lany tamin`ny fifidianana


  • Zoma 25 Janoary 2019

97 Miliara ariary tany ho any ny vola nampiasain`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) nandritra ny taona 2018 araka ny tatitra nataon`ity vaomieram-pirenena ity izay nahitana ny lafiny ara-moraly,

 

 ny fitantanana sy ny lafiny ara-bolan’ny raharaham-pifidianana, araka ny voalazan’ny andininy faha-62 amin’ny lalàna n°2015-020 tamin’ny 19 oktobra 2015. Teo ny tatitra ara-bola, nitondran’i Haja Ratsimbazafy, tompon’andraikitra ny fandraharahana sy fitantanana ara-bola eo anivon`ny CENI fanazavana ka nilazany fa  ny mpamatsy vola voalohany azy ireo dia ny fitondram-panjakana izay nanolotra 66 miliara ariary. 27 miliara ariary kosa no voalaza novatsian`ireo mpamatsy vola vahiny tamin`ny alalan`ny tetikasa SACEM. Nitondra fanazavana tamin`ny fitsinjarana ny tetibola ny tompon’andraikitry ny fitantanana ara-bola. 7,8 miliara ariary ny vola natokana ho fampandehanana ny CENI. Teo amin`ny fanavaozana lisi-pifidianana, 4,3 miliara ariary no lany. Ny fanabeazana ara-pifidianana indray, 2,2 miliara ariary no natokan`ny SACEM. Nohamafisin`ny CENI kosa fa ny tontolo fifidianana no tena nandaniana ny vola satria nitentina 73 miliara ariary. Nanampy ity vaomieram-pirenena tamin’ny fanatanterahana ireo asa ireo ihany koa ny PNUD, ny Vondrona Afrikanina, ny ECES, ny OIF, ny EISA, ny ECF-SADC ary ny FES.

Fiaraha-miasa vaovao

Maro ireo fiaraha-miasa iraisam-pirenena vaovao novolavolaina nandritra iny taona 2018 iny izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ka anisan’izany ny vovonan’ny mpiara-miombon’antoka sy ny governemanta miaraka amin’ny fandraisana anjaran’ny Primatiora, ny fanatanterahana ny drafitrasa hiarahan’ny CENI-SACEM (Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar) mba hahafahana mitarika ny asa rehetra mifandraika amin’ny fanomanana sy ny fandrindrana ny fifidianana ary ny fametrahana ny rafitra fanaraha-maso ny tomban’ezak’ireo asa nanomboka ny taona 2016. Ankoatra izay, ny CENI eto Madagasikara dia voaasa tamin’ny fitsidihana ara-pomba ofisialy mahakasika ny fifanakalozana na atrikasa na fanaraha-maso ny fifidianana tany amin’ny firenena El Salvador, Inde, Nigeria, Frantsa, Canada, Etazonia, Korea atsimo ary Afrika atsimo mba ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fitantanana ny fifidianana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT