Feno tanteraka ankehitriny ireo mpikambana 9 mandrafitra ny vaomieram-pireena mahaleotena misahanany fifidianana na CENI satria dia nahavita ny fianianany omaly teny amin’ny fitsarana ambony
Anosy Ramatoa Maria Raharinarivoniriana, fanintelony izy izao no voafidy ho mpikambana ao amin’ity rafitra ity. Manampahaizana manokana amin’ny fifehezana sy fandrindrana ny raharaha mikasika ny fifidianana izy raha ny filazalazan’ny filohan’ny fampanoavana ny momba azy sady mpisolovava sy mpitsara ikoizana eo amin’ny sehatra iraisampirenena ihany koa, indrindra eo amin’ny lafiny zon’olombelona. Manana ny mari-boninahitra « chevalier de l’ordre national malagasy » sy « chevalier de la légion d’honneur français » ny tenany.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.