Politique

CENI Atao amboletra ny fananganana azy ?


  • Zoma 10 Febroary 2012

Efa nivoaka ny alarobia lasa teo ny didim-pitondrana manome alalana feno ny fananganana ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana na CENI taorian’ny naneken’ny Parlemanta roa tonta ny volavolan-dalàna mikasika azy.

 Nivoaka ihany koa ny fepetra sy mason-tsivana hisafidianana ireo mpikambana ao anatin’ny CENI. Tahaka ny filoha, ohatra, dia ambara fa tsy maintsy manana ny mari-pahaizana maîtrise na ny mitovy lenta amin’izany, ary efa niasa nandritra ny 15 taona farafahakeliny tamin’ny sehatra mitovy lenta na misy ifandraisany amin’ny asan’ny CENI. Manana solontena ao anatin’ity vaomiera ity moa ny administratera sivily, ny mpitsara, ny mpisolovava, ny fiarahamonim-pirenena, ny antoko politika nanasonia ny tondrozotra, ny mpanao gazety. Ho an’ny mpitsara manokana dia efa tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no nivoaka ny fampilazana fa mandeha ny fandraisana ny dosie ho an’ireo rehetra maniry ny hiditra ao anatin’ny CENI, ka raha ny tokony ho izy dia efa tapitra omaly ny momba izany.

Nisy moa ny laharan-telefaonina azon’ireo mpitsara antsoina raha vonona izy. Tsy mbola mazava tsara kosa ny fisafidianana ny mety ho solontenan’ireo sehatr’asa maro samihafa. Raha ny tokony ho izy dia amin’ny alalan’ny fivoriambe, irery ihany no hanolorana solontena na ho an’ny mpitsara io na ny mpisolovava na ny administratera sivily na ny mpanao gazety. Azo antoka fa hiteraka savorovoro avy hatrany ny fanendrena olona any ambadibadika any tsy nifampierana tamin’ny mpiara-miasa aminy. Somary nanaitra ihany koa ny fihazakazahana amin’ny fanendrena izay mety ho solontenan’ny mpitsara.

Noferana ho ny 8 sy 9 febroary lasa teo, izany hoe tao anatin’ilay atrikasa no tanterahan’ny fianakaviamben’ny mpitsara mihitsy no nambara fa handraisana ny anaran’ireo izay vonona hiditra ao amin’ny CENI. Maro no mametra-panontaniana hoe : fa inona no anton’izany fihazakazahana be izany ? Ny mpitsara tokoa mantsy dia tsy nety nanolotra solontena hiditra tao amin’ny CENI mihitsy hatramn’izay, raha toa ka mba efa nanana solontena tao ihany ny sehatr’asa sasany. Ao koa no mahita fa miendrika fanambatambazana ny mpitsara izao fihetsika izao. Fa mbola mahalasa fisainana ihany koa ny amin’ilay hoe solontenan’ny antoko politika nanasonia ny tondrozotra. Midika izany fa voailika avy hatrany ny ankolafy Ratsiraka, izay azo antoka anefa fa tsy maintsy hanolotra kandida amin’ny fifidianana rehetra ho avy eo. Tahaka ny hihazakazahana be sy atao amboletra izany ny fananganana ny CENI, ka ahiana indray ny hisian’ny savorovoro sy fifandroritana. Raha izao no fandehany dia mampiahiahy ihany ny hahavitan’ny fifidianana madio sy mangarahara amin’ity taona ity, satria ny rafitra hikarakara aza tsy teraka akory dia efa sampona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT