Nahemotra ho amin’ny fotoana manaraka ny famindram-pitantanana teo amin’ny filohan’ny CENI-T teo aloha Mamy Ralaiariliva sy ny filoha vaovaon’ny CENI Hery Rakotomanana.
Lanonana efa niantsoana mpanao gazety fa hatao omaly alakamisy 7 janoary, teny amin’ny foiben’ny CENI Alarobia.
Tsy nambara mazava ny anton’ny fanemorana na efa samy teny an-toerana aza ny filoha roa tonta. Nisy ny fifampiresahana mitokana teo amin’izy roalahy. Tsilian-tsofina no andrenesana fa mandà hanao sonia taratasy tsy hitany mialoha ny votoatiny, hono, ny filoha vaovaon’ny CENI, Hery Rakotomanana.
Tokony ho amin’ny alatsinainy 11 janoary no voafaritra fa hanatanterahana an’ity famindram-pitantanana ity. Gaga hatramin’ireo mpikambana teo aloha tao amin’ny CENI-T no nandre fa naroso omaly alakamisy 7 janoary indray izany, kinanjo moa izao tsy tanteraka izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.