Politique

«Cellule de crise inter-ministerielle» Miantso ny FFKM hampihavana ny samy Malagasy


  • Alakamisy 06 Septambra 2012

Mitety Faritra manentana ny vahoaka Malagasy hiaraka hihetsika hanohana ny Fivondronan’ny Fiangonana Krisitianina eto Madagasikara na ny FFKM hiroso amin’ny fampihavanana amin’izao fotoana izao ny “Celulle de crise inter-Ministerielles” (CCIM) tarihin’Atoa Ratoejanahary Maharavo na i Doudou.

 Tonga tao Ambositra Faritra Amoron’i Mania ny tenany sy ny mpiara-dia aminy ny talata 04 septambra lasa teo. Namory ireo mpiasam-panjakana sy mpampianatra ao amin’ny SEMPAMA Amoron’i Mania no anton-diany izay nanazavany ny dingana tsy maintsy hirosoana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika. Ankoatra izay dia hisy ilay fihaonamben’ny hery velona rehetra hatao eto Antananarivo amin’ny alakamisy 27 sy zoma 28 septambra ho avy izao, ka fiantsoana ny vahoaka ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania hiatrika izany no ivon’ny dinika tao amin’ny efitranon’ny biraon’ny Kaominina Ambositra.

Nambaran’Atoa Ratoejanahary Maharavo fa tsy nahomby ny fanelanelanana nataon’ny SADC tamin’ny fihaonan’ny Filoha roa tonta tany Maputo sy Seychelles farany teo ka tokony hoentanina ny FFKM izay efa nomen’ny SADC fahefana hampihavana ny samy Malagasy mba hanao izany. Tsy maintsy mijoro ny herim-bahoaka, hoy ihany i Doudou satria dingana iray lehibe hahatongavana any amin’ny tetezamita vaovao io fampihaonana hataon’ny FFKM io. Tetezana mankany amin’ny tetezamita vaovao izany ny hataon’ny FFKM fa ny hery rehetra no mila mifanohana. Tonga maro niatrika ny fihaonana sy niadihevitra tamin’ity mpitarika ny “Cellule de crise” ity ny SEMPAMA sy ny mpiasam-panjakana ary ny mpanao asa tanana tao Ambositra.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT