Feno 78 taona tamin’ny sabotsy lasa teo Rtoa Céline Ratsiraka, vadin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka.
Tonga niarahaba sy nirary soa azy teny amin’ny trano fonenany teny Mangarivotra Faravohitra ireo kamarady vehivavy Arema mpanara-dia azy hatramin’izay. Efa nahazoazo taona ihany Rtoa Céline Ratsiraka saingy tena mbola mijoro tsara ny fahitana azy ary mbola miresaka tsara sy be hanihany. Tsy dia re feo firy moa izy hatramin’ny tsy naha filoha intsony ny vadiny fa teo anilany foana kosa anefa. Tsara homarihana fa i Céline Ratsiraka no namorona ny akany Arema ary anisan’ny tonga teny Faravohitra niarahaba azy tamin’io sabotsy ireo vehivavy mpiara-miasa taminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.