Nanainga ny talata 10 mey teo hihazo an’i Etazonia ny andiany faha-12 ao amin’ny Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques na CEDS
. Nandritra ny fanamarihana ny “America Week” na ny herinandron’i Amerika ny 29 sy 30 aprily lasa teo izay nanomanany ity dian’izy ireo ity no nanehoan’ny Masoivoho Robert T. Yamate ny fankasitrahany ny fahatongavan’izy ireo hikatsaka ny hitondra an’i Madagasikara ho amin’ny toerana tsaratsara kokoa. Nohazavain’ny masoivoho fa anisan’ny laharam-pahamehan’ny governemanta Amerikanina eto Madagasikara ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampiroboroboana ny tamberin’andraikitry ny mpitondra amin’ny vahoaka entiny sy ny fahasahian’ny vahoaka hitaky izany. Mbola tao anatin’ny fankalazana ny « America Week » ihany no nanehoan’izy ireo ny vakodrazana malagasy izay nasehon’izy ireo mandritra ny fitsidihany an’i Etazonia. Ao anatin’ny fandaharam-potoana ihany koa ny fiatrehana famelabelaran-kevitra ao amin’ny University of Southwest California sy ny fitsidihana ny trano famokarana sarimihetsika anisan’ny goavana sy malaza indrindra maneran-tany dia ny Universal Studios izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.