Politique

CAPSAT Voafitaka indray


  • Alarobia 07 Martsa 2012

Miditra amin’ny andro fahatelo amin’ity anio ity ny hetsik’ireo manamboninahitra lefitra, mitaky ny hanafoanana ny tataon-ketra alaina amin’ny tambin-karaman’izy ireo.

 Efa nampanatenain’ny filohan’ny FAT azy ireo tamin’ny fiandohan’ny taona fa ho azo izy io, saingy tsy izay no nitranga hatramin’ny fandrasain-karama volana febroary teo. Nahatsiaro voafitaka ireto manamboninahitra lefitra ireto, ka nihetsika. Nisafidy ny toby miaramilan’ny CAPSAT izy ireo nanaovana io fitakiana io sy nanerena ny lehibe mpifehy azy ireo isan’ambaratonga. Nitodika teny Soanierana, misy ny toby CAPSAT ny mason’ny mpanara-baovao nanomboka ny alatsinainy teo, noho ny hetsiky ny “sous-off” ity. Tetsy andanin’izay dia hita ho mikoropaka ny FAT. Toby nanamarika ny tantara rahateo ny CAPSAT ho an’izao tetezamita izao. Totoafo, araka izany, ny fivoriana na teo anivon’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy eny Andohalo, hatreny amin’ny ministeran’ny fiarovam-pirenena eny Ampahibe, nipaka hatreny Mahazoarivo sy Iavoloha raha ny omaly. Tsy mety hita ny vahaolana. Miakatra hatreto ny hafanana.

Hifamotoana vao maraina eny Soanierana ireo manamboninahitra lefitra anio. Nifanaraka izy ireo fa dia samy hanao fanamiana fitondra mian’ady. Etsy andaniny dia nisy koa ny taratasy nandehandeha omaly, milaza fa miantso ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarimasy André Lucien, ho avy eny amin’ny Toby CAPSAT eny Soanierana ireto “sous-off” anio alarobia 07 martsa amin’ny mitatao vovonana, hifampiresaka mivantana amin’izy ireo. Mafanafana, araka izany, ny toe-draharaha. Nivoaka niditra ny toby teny Soanierana ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André, saingy hita ho tsy nampilamina ny raharaha.

Voaresaka nandritra ny filankevitry ny governemanta, notarihin’ny praiminisitra lefitra misahana ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana, Hajo Andrianainarivelo, teny Mahazoarivo, omaly talata, ity raharaha ity. Niaiky ny FAT fa nisy ny fahadisoana tamin’ny fikajiana ny tataon-ketra, na dia nisy fisondrotana aza ny karaman’ny foloalindahy. Nambara fa dia hisy ny fanaovana kajy vaovao indray “mba hahatanteraka ny fampanantenan’ny filohan’ny tetezamita”. Nisy koa ny fivoriana teny Iavoloha teny handaminana io raharaha io. Raha nitaky ny hanonerana 100% ny tataon-ketra nobangana tamin’ny tambin-karamany ireo “sous-off” dia re fa 75% ihany no zakan’ny kitapom-bola. Diso fanantenana, ary dia mahatsiaro voafitaka indray ireo manamboninahitra lefitra. Ho fantatra anio indray izay ho tohin’ny raharaha.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT