“Hanao ahoana ny fandraisan-draharaha any Soisa ?”, hoy ny fanontanian’ny mpanao gazety tamin’ny praiminisitra teo aloha Camille Vital voaasa manokana tamin’ny fetim-pirenena frantsay Ivandry tamin’ny sabotsy 14 jolay teo.
“Manahirana ny mamaly ny fanontaniana fa tsy mbola tany aho”, hoy izy. “Avy aty lavitra efa dia mijery ny tokony hatao. Rehefa avy any aho miverina amin’ny manaraka dia afaka mamaly anareo tsara. Hatramin’izao aloha dia mizotra amin’ny izy ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra. Ny firenena malagasy anie dia mpikambana feno amin’ny Firenena Mikambana ka ny olona tiany hotendreny amin’io dia tendreny na iza na iza ary tsy afaka manakana an’io ny fikambanana iraisam-pirenena fa zavatra manokana io”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.