Politique

Camille Vital Sarotra ny hanilika azy ?


  • Talata 20 Septambra 2011

Taorian’ny nanasoniavana ilay sori-dalana ny sabotsy 17 septambra teo dia efa mihetsiketsika indray ireo etamazaoro politika rehetra. Ho avy mantsy ny fananganana ireo rafitra rehetra ao anatin’ny tetezamita, ary raha ny voasoratra no dinihana dia fanendrena vaovao mihitsy no atao fa tsy hoe fanitarana fotsiny.

 Raha ny tokony ho izy izany dia mametra-pialana daholo aloha ny mpikambana ao amin’ny governemanta rehetra sy ny parlemantera, manolotra anarana ireo vondrona politika dia manendry ny filohan’ny tetezamita. Tsy misy tombo sy hala amin’ity indray mitoraka ity fa dia zara mira no atao. Efa ho andro maromaro anefa izao dia mandeha ny feo fa toa hoe tsy te hiala eny Mahazoarivo, hono, ny jeneraly Camille Vital. Ireo mpanao politika manohana ny tetezamita, amin’izao endriny izao, koa moa etsy andaniny  manantitrantitra fa izy dia efa praiminisitry ny fampiraisam-pirenena satria voatendrin’ny filohan’ny tetezamita taorian’ny nahavitan’ilay rangopohin’ny sori-dalana ny 9 martsa 2011.

Raha misy izany ny fikasana ny hanolo azy dia mety tsy hanaiky mora foana ity manamboninahitra jeneraly ity, ka hanao tahaka ny nataon’i Monja Roindefo, izany hoe hampiakatra ny raharaha eny amin’ny filankevi-panjakana, araka ny tsiliantsofina re ihany. Efa tsikaritry ny maro tamin’ny fomba fiteniny sy ny fihetsiny ihany koa fa olona sarotra ailika i Camille Vital. Ankoatr’izay dia voalaza ihany koa fa mahalala zavatra maro momba izao fitondrana tetezamita izao ity jeneraly ity ka mety manahirana ny hanilika fotsiny azy amin’izao. Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : ahoana izany no mety ho tohin’ny tantara ? Dia sanatria ve hiteraka olana vaovao indray ny fanendrena ny praiminisitry ny tetezamita ? Ny ankamaroan’ireo ankolafy politika ankoatra ny TGV sy ny UDR-C aloha dia efa milaza fa tsy mahafeno ny fepetra ny jeneraly Camille Vital ka tsy maintsy soloina. Ho hita eo ny tohiny. Etsy andaniny dia manomboka be mpiresaka koa ny anaran’ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona sy ny Pr Ranjeva Raymond ho amin’io toeran’ny praiminisitry ny tetezamita tena izy io.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT