Diso tafahoatra ny fanaovana dokambarotra ny kandida Camille Vital ao amin’ny fahitalavi-pirenena.
Taterin’ny fahitalavi-panjakana na TVM amin’ny antsipirihany avokoa rehefa famoriam-bahoaka tontosain’ity ambasadaoro Malagasy any Soisa ity, any amin’izay tany rehetra alehany. Ireo kandida hafa anefa zara raha miseho indray mielatra ao anaty vaovao. Tsy misy na iray aza amin’ireo 47 mianadahy mpifaninana aminy manakiana izany mizana tsindrian’ila izany. “Manaiky matoa tsy mety angamba ?”. Etsy ankilany raha nahita ny ezaka sy ny fivoarana hita tao amin’ny vaovaon’ny TVM dia sarotra no hino fa hamela ny hisian’io fibahanana fandaharana io ireo tompon’andraikitra mivantana eo anivon’ny TVM fa tsy maintsy misy baiko na koa teny midina any ambadibadika any.
Ny toe-javatra toy izao anefa no nanenjehana io fahitalavi-pirenena io ka nitarika ny fandoran’ny olona azy tamin’ny 2009. Ankoatra izay, raha ny lalàna mifehy ny fifidianana dia tsy mahafeno ny fepetra ity praiminisitry ny FAT nivadika amin-dRajoelina ity satria tsy eto Madagasikara no fonenany maharitra fa any Genève Soisa. Vao roa volana tamin’ireny rivodoza “Haruna” ireny indray izao ny tenany no niverina an-tanindrazana ka ho hita eo izay fanapahan-kevitry ny CES momba azy. Raha sahy koa ny FAT dia manala azy amin’ny andraikitry ny masoivoho tahaka izay natao tamin-dRajemison Rakotomaharo. Ity farany moa no nodimbiasan’ny jeneraly Camille Vital tany Genève ary noho ny fanambarany ny firotsahany indrindra no nanesorana azy tamin’ny toerany ka nampodiana azy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.