Camille Vital

> Maka volontany tao Mahajanga


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013

Mamofompofona propagandy sahady ny tanàna. Milomay ireo kandida niara-dia tamin’i Andry Rajoelina.

Tany Mahajanga i Camille Vital, kandidan’ny “Hiaraka isika” ny 29 aogositra teo, nanokatra ny foiben-toeran’ny fikambanana ao Mahajanga eo akaikin’ny Tranoben’ny Kolontsaina ary koa nanararaotra maka volontany, sady nampahafantatra ny tenany. Nisy ny hetsika nampisehoana ny kolontsain’ny Foko 18 misy eto Madagasikara nanamarihana izany ankoatra ny fampisehoana niarahana tamin-dry Tence Mena sy i Mamy Be. Nambaran’ny kandidà Camille Vital tamin’ny fisehoana tany an-toerana fa foibe natao hifaneraseran’ireo olona te handray anjara amin’ny fampandaniana ny kandidàn’ny Hiaraka Isika ity toerana ity ary ho toeram-panofanana ireo rehetra te hianatra maimaimpoana informatika ihany koa izay haharitra telo volana. Hanana ny azy ihany koa manomboka anio sabotsy i Antsiranana, hanaraka ny an’i Fianarantsoa sy Toamasina ary Toliara.

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT