Politique

Camille Mektoub Nanao ampamoaka momba ny raharaha RFI sy ny tsy filaminana atsimo


  • Sabotsy 15 Septambra 2012

“Tsy ny fisian’ny dinika tany Seychelles no ratsy fa ny fanontaniana nipetraka nialoha iny fihaonana iny, dia ny hoe iza no hiantoka fa hitana ny teny nomeny ilay anankiray ?”, hoy i Camille Mektoub, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka.

Maro ny fihetsiketsehana atao mba tsy hiverenan’i Macrc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Raha ny marina, araka ny fanazavan’ity mpanao politika avy amin’ny ankolafy Zafy Albert ity dia saika nametraka fitondra-miaramila teto i Andry Rajoelina ny alarobia sy alakamisy lasa teo ka izany no anton’ireny hetsika tany Betroka ireny. Tafiditra ao anatin’ny paikady ratsy hanakanana an-dRavalomanana tsy hiverian eto izany. Momba izay resaka any atsimo izay ihany dia nanao karazana ampamoaka momba ny tena zava-misy any ny tenany. Aminy dia “tsy asan-jiolahy io fa vahoaka Malagasy tsy manaiky intsony ny tetezamita”. Fantatr’i Andry Rajoelina fa “fihokoana aminy io”. Araka ny fanazavan’ity solombavambahoakan’i Mananjary teo aloha ity mantsy dia mora ny manafoana ny halatra omby raha tena izay marina. Tsy mila basy aman-tafondro fa zavatra roa ihany ka iray amin’izany ny fampiharana ny dina. Izay faritra nametraka io dina io anefa dia nezahin’i Richard Ravalomanana ny namono ny dina tao aminy, teo koa ny fanakanana ataon’ireo lehiben’ny Faritra. Raha mipetraka ny dina dia tsy misy ny halatra omby. Nohazavainy fa ny omby tsirairay dia tokony ho fantatra ny Foko, ny tompony, ny fiaviany, ny faritra misy azy amin’ny alalan’ilay antsoina hoe vilin’omby na mihary izay mipetraka eo amin’ny sofin’omby. “Tsy kavin’omby na helikopetra na koa satelita no hamantarana izay fiavian’ny omby”, hoy ihany ity depiote teo aloha ity. Araka ny fanazavany dia tsy misy io vilin’omby io ireo omby mivezivezy ka efa ifanarahan’ireo Foko any Atsimo na Betsileo izany, na Bara, Antanosy, Androy, Mahafaly sy ny hafa. Kolontsaina izany, araka ny fanazavana ihany ka ho azy ireo dia tsy very ny omby fa mifindra tanana. Ny zava-misy amin’izao anefa dia tsy ireo tsy misy vilin’omby no very fa ireo efa misy izany mihary izany. “Tsy ny olona no mangalatra fa olona irahina no maka ireo omby ka misafidy mamaly ny miaramila ny vahoaka any Atsimo” ka izany, hoy ihany izy no mahatonga ireo olona maro mamoy ny ainy. Raha tena malaso, araka ny fanazavana ihany dia tsy mangalatra na momono olona na misakana fiara. Ny tena marina ao ambadik’io raharaha any Atsimo, dia misy harena sarobidy toy ny uranium, solika sy ny maro hafa ao ka rehefa nifanaraka tamin’ny vahiny ireo mpivarotra tanindrazana dia atao haolo ny tanàna hahafahan’izy ireo miliba. Anisan’izany ny tanàna sasany tao amin’ny Kaominin’i Bezaha izay nodoran’ny mpitandro ny filaminana ka lasa mifindra monina ny vahoaka. Ampiadiana ihany koa ny foko, ka ireo maty rehetra hatreto dia vokatry ny adim-poko. “Ny miaramila sy ny fanjakana no mamadika ny omby dia lasa ady ilay izy”, izay nilaza fa tsy mitombina raha fiarovan-tenan’ireo mponina no hahafaty olona an-jatony.

Tsapan’ny vahoaka any an-toerana fa fampiadiana ihany no ataon’ny fitondrana ka izay no hanoheran’izy ireo izany. “Isika ampirisihana amin’ny resaka fifidianana, any ambadika any anefa misy manomana fitondra-miaramila”, hoy ihany izy namaky bantsilana. Mbola resaka adim-poko sy fikasana fitondra-miaramila koa no tao ambadiky ny raharaha RFI farany teo, namonoana ny kaporaly Black, hoy i Mektoub satria izy no nahalala ny tsiambaratelo. Rehefa tsy voasakan’i Andry Rajoelina tany Seychelles intsony ny fodian’i Marc Ravalomanana dia lazaina fa Ravalomanana no mikasa hamono an-dRajoelina. Te ho martiora i Andry Rajoelina kanefa tsy tafavoaka ilay izy, hoy i Camillle Mektoub. Tamin’ny RFI iny ihany, araka ny fanambarany dia Malagasy mpanankarena telo no tokony ho lasibatra, kanefa natototra tany amin’ny kaporaly Black daholo ny rihitra.

Momba ny resaka voizina amin’izao ny hoe tsy mahazo mivoaka an’i Afrika Atsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny hoe nogiazana ny pasipaorony dia nambarany fa zo, sata eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny maha mpitsoa-ponenana ara-politika. Misy zavatra maloto ambadik’io, hoy izy. Na hanakiviana ireo mpanara-dia an-dRavalomanana, hoy izy na koa hanairana azy ireo hitroatra dia hanaotao foana. Ny zavatra tsara fantarina anefa, araka ny fanazavany dia tsy ho an-dRavalomanan Marc irery no hijoroana mitolona eny amin’ny kianjan’ny Magro, hoy ity depiote teo aloha ity fa ho an’ny firenena Malagasy sy ny taranaka rehetra.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT