Politique

Camille Mektoub Heloka bevava ny fanapotehana ireo Magro marobe


  • Zoma 23 Septambra 2011

Naharitra dia naharitra ny lahateny nataon’i Camille Mektob, omaly alakamisy 22 septambra tetsy amin’ny Magro Behoririka, nefa tena nahaliana ny mpitolona ka tsy nampiala azy ireo mihitsy na dia nisy aza ny rotsak’orana nifafy teny an-toerana.

 Ny fanazavana tamin’ny an-tsipirihany ary isaky ny andininy an’ilay tondrozotra nosoniavina teny Ivato ny sabotsy 17 septambra teo no nentiny mba tsy hisian’ny fandikana vilana sy mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka ihany koa. Tsy nosoratana fotsiny ho avy aty amin’ny Ankolafy 3 ny praiminisitra satria isika ihany no mpanohitra ny FAT, ka tsy mila mahay lalàna na manampahaizana manokana dia mahatakatra an’izany, hoy izy. Iny nosoniavina iny no misolo ilay fitsapan-kevi-bahoaka kitoatoa tamin’ny 17 novambra 2010, ary ny andininy faha-18 ao amin’ny tondrozotra no miteny fa “aministie large” ka dia ofisialy ny fahatongavan’ireo eto ka izay no anton’ilay hoe «aza misahirana».

Manahirana ny olona toa an-dry Marson Evariste sy ry Reboza Julien, hoy i Camille Mektoub nefa noho ny tsy fahombiazana no nanalana azy ireo tsy ho ministra intsony tamin’ny fotoan’androny. Ankoatra izay dia nambarany fa heloka bevava amin’ny zanak’olombelona ihany koa ny fanapotehana sy fandorana ny Magro manerana ny Nosy izay nahatonga ireo mpiasa maro be tao aminy ho tsy an’asa, hoy ihany ny fanazavan’ity mpitari-tolon’ny Ankolafy 3 ity. Ho hita ao amin’ny ”vérité et réconcialition » izany. Ka tsotra io na ireo mihavana na hisary adala fa mazava ireny nataon’ny Pr Zafy ireny, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT