Politique

Camille Mektoub “Faty olona no anoratana ny fiainam-pirenena eto”


  • Talata 24 Jolay 2012

Mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao hatramin’izao ny raharaha fikomiana nataon’ireo ampahan-tafika teny amin’ny tobin’ny RFI Ivato.

 Nanatomotra ny fihaonana ataon’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana iny zava-niseho tsy nisy nanam-po iny ka dia tsy vitsy ireo nametra-panontaniana na tena izy na sinema fotsiny ihany. Tsy nazava hatramin’izao koa ny tena tanjon’ireo lazaina fa nikomy. Efa maty rahateo moa ilay kaporaly «Black», voalaza fa nitarika ny fikomiana. Ho an’i Camille Mektoub avy amin’ny ankolafy Zafy Albert dia « sinema ihany iny tranga teny Ivato sy ny nanakatonana ilay onjam-peo tsy miankina iray eny Ankorondrano iny». Raha nilaza ny filohan’ny FAT fa tsy izy no tompon’andraikitra tamin’ireny dia fanontaniana no nasetrin’ity solontenan’ny ankolafy Zafy Albert ity ny amin’ny hoe : nisy niampanga an’i Andry Rajoelina ho tompon’antoka tamin’iny angaha ?

Raha ny fanazavan’i Mektoub ihany dia nisy tany ho any ny fikasana hanangana fanjaka-miaramila na ilay atao hoe «Directoire militaire» ary dia efa ho iray volana mahery no voasoratra izay olona tokony hitondra izany kinanjo moa dia iny nitsefotra iny ny teny Ivato. Nizara telo na efatra manko ireo miaramila. Tokony ho novakiana tao amin’ilay onjampeo izany fanambarana izany, hoy i Mektoub kanefa tsy voavaky ka hany hery hanadiovan-tena dia nakatona ilay onjam-peo. Ny mampalahelo anefa, hoy ity mpanao politika dia tsy misy afa-tsy faty olona no nanoratana ny fiainam-pirenena hatramin’ny 2009. Niantso ny foloalindahy ny tenany mba handini-tena sy tena hampihatra izay tapaka tamin’ny fihaonanan’ny tafika teny Ivato. Niantso ny ankolafy Ravalomanana koa izy mba hitandrina satria rehefa misy trangan-javatra toy ireny, indrindra fa misy vola mihodina, hoy ity avy amin’ny ankolafy Zafy dia Marc Ravalomanana mandrakariva no lazaina fa ao ambadika.

 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT