Tapitra ny fotoam-piasan’ny Sekretera jeneralin’ny COI (Vaomieran’ny Oseana Indiana) Atoa Calixte d’Offay rehefa niasa nandritra ny efa-taona.
Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara tafiditra amin’ny fanomanana ny famindram-pahefana amin’ny mpisolo toerana azy ny tenany. Ho fankasitrahana ny asa vitany dia nosalorana ny mariboninahi-pirenena Malagasy “Commandeur de l’ordre national” ny tenany omaly tetsy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Niresaka ny firaha-miasan’i Madagasikara sy ity vaomiera ity ny tenany taorian’izay. Nambarany fa manana fandaharanasa misy vokatra mivaingana ny COI toa ny ady amin’ny jiolahin-tsambo aty amin’ny faritra Oseana Indiana. Eo amin’ny sehatra ara-toekarana dia irarian’i Calixte d’Offay ny hampitomboana sy hanamafisana bebe kokoa ny fifandraisana ara-barotra amin’ireo firenena mpikambana. Manana ny fijeriny ny raharahan-tokantrano ara-politikan’i Madagasikara koa ny tenany izay nilazany fa ny tondrozotra ihany no vahaolana. Mirary koa aho ny hifaran’ny krizy sy ny hisian’ny filaminana ara-poltika ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra, hoy i Calixte d’Offay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.