Politique

CAEED Maika ny hamerenana ny fanjakana tan-dalŕna


  • Sabotsy 23 Febroary 2013

Ny fahalemen’ny rafitra najoro sy natsangana, miteraka fahaverezan’ny fahatokisan’ny vahoaka Malagasy ny mpitondra sy ny rafitra no anisan’ny mahatonga ny krizy politika miverimberina eto amintsika, raha ny fahitan’ireo tanora mivondrona ao amin’ny Fifandraisana sy ny Hetsika ho an’ny Fampiharana ny fanjakana tan-dalŕna na ny CAEED.

 Raha tsiahivina, hoy Razafindralambo Didier Alban, izay mpikambana ao amin’ny biraon’ity vondrona ity, ny tamin’ny 2002 dia ny tsy natokisan’ny vahoaka ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tamin’ny fotoan’androny ka nisian’ny fitsarana tany Mantasoa no niandohan’ny krizy. Tsy mifanalavitra tamin’izay koa ny tamin’ny 2009. Nisy ny tsy fahatokisana ny tao anaty rafitra, ao anatin’izany ny fitsarana dia lasa toeran-kafa no heverin’ny vahoaka fa tokony hamahana ny olana. Resy lahatra ny CAEED (Contact et Action pour l’Effevtivité de l’Etat de Droit), izay nambara am-pahibemaso tetsy amin’ny Lagara Soarano omaly ny fitsanganany ofisialy, fa raha tsy mipetraka eto Madagasikara izany fanjakana tan-dalàna ahitana tompon’andraiki-panjakana, mpanao politika, ary vahoaka manaiky ho fehezin’ny lalàna izany dia ho herim-po very maina ny ezaka rehetra atao hivoahana amin’izao krizy izao.

Heverin’ireto tanora avara-pianarana ireto fa ny firenena fehezin-dalàna dia tombony ho an’ny rehetra. Hatoky manko ny vahoaka fa ny mpitondrany dia hampiasa ny fahefany ho amin’ny tena tombontsoan’ny daholobe ka ho azony antoka fa voaaro ny zony, hahazo toky koa ny sehatry ny fandraharahana fa afaka hampiroborobo ny fihariana eo ambany lalàna tsara fototra, hahazo toky ihany koa ny mpanao politika fa manana sehatra malalaka ahafahany maneho hevitra sy manabe ny vahoaka, indrindra mandritry ny fotoam-pifidianana, tsy hampiasan’izy ireo fomba ivelan’ny lalàmpanorenana hakana ny fahefana. Manoloana izany indrindra, ao anatin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao dia manaitra ny tompon’andraiki-panjakana sy ny vahoaka ny CAEED handray ho kolontsaina politika ny fanjakana tan-dalàna.

Notsiahivin’ireto tanora ireto koa, indrindra ho an’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa toy ny fitsarana, ny mpitandro ny filaminana fa ny fanajana ny lalàna no nanaovan’izy ireo fianianana hanompoana ny vahoaka. Manainga ny sehatra tsy miankina sy ny mpandraharaha ihany koa izy ireo mba tsy hanaiky ny tsikombakomba amin’ny fandikan-dalàna. Miantso ho amin’ny famondronana ny hery koa ny CAEED hifandresena lahatra fa tsy maintsy iainana ny fanjakana tan-dalàna. Fantatra moa fa hanolotra dina ho an’ny fanjakana tan-dalàna ity vondrona ity ka hamondrona ireo kandida ho filoham-pirenena izy ireo hanao sonia izany dina izany.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT