Politique

C.A.E.E.D Nandroso volavolan-dalŕna hialana amin’ny krizy miverimberina


  • Alatsinainy 15 Aprily 2013


 Notanterahan’ny fikambanana « juriste » tanora mivondrona ao amin’ny CAEED (Contact et Action pour l’Effectivité de l’Etat de Droit) na ny Fifandraisana sy hetsika ho an’ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna omaly tetsy amin’ny « Buffet de la Gare » tetsy Soarano omaly, ny fampanantenana nataon’izy ireo tamin’ny fotoana nanambarana ofisialy ny fitsanganan-dry zareo tao amin’ity toerana ity ihany, dia ny famoahan-dry zareo ny antsoina hoe tondrozotran-dalàna (feuille de route juridique) na ny « Manisfeste pour l’Etat de droit » izay volavolan-dalàna hatolotra ny governemanta mba amoahana tanteraka an’i Madagasikara amin’ny fihodinkodinan-dava sy misy farany amin’ny krizy eto.

Nambaran’ireto mpahay lalàna tanora mivondrona ao amin’ny Caeed ireto fa raha tsy voafehy tanteraka ny tany tan-dalàna eto amintsika dia hisy fiantraikany eo amin’ny fitantanana ny firenena izany. Mila fanavaozana tanteraka ny rafitra eto amintsika, hoy izy ireo, ka teboka 11 no mamaritra an’io tolo-dalàna io ka iray amin’izay misongadina indrindra tokony hampazava ny fandaminana rehetra ataon’ny antoko politika isanisany amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Tsy maintsy azo arahi-maso tanteraka ny fandaniana rehetra ataon’izany antoko izany tokony  hampahafantarina ny besinimaro ny loharanom-bola hanatanterahany fifidianana. Ny dingana manaraka hataonay Caeed, hoy ny fanazavana azo tetsy Soarano omaly, dia ny fanatonana an’ireo kandidà rehetra ka hiezaka ny hanentana azy ireo amin’izay resaka voalaza teo izay sy hampanao sonia fanekeny ny hanehoana izany mangarahara izany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT