Politique

Bruxelles Minisitra FAT telo no indray lasa any


  • Talata 27 Septambra 2011

Ny minisitry ny raharaham-bahiny Yvettes Sylla, ny minisitry ny fitantanam-bola Hery Rajaonarimampianina ary ny minisitry ny serasera Rahajason Laurent no indray any Bruxelles amin’izao fotoana izao.

 Raha araka ny vaovao ofisialy dia hifampiraharaha amin’ny tompon’andraikitra ambonin’ny komisionina eoropeanina izy ireo. Anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ny hihazo an’i Bruxelles rehefa avy any New York. Delegasiona maromaro, araka izany, no indray nihazakazaka any Eoropa mba hiverenan’ny fankatoavana eoropeanina. Dia inoana ve fa hitondra vokany izany ? Raha izay no izy dia voafitaka tanteraka ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay ao anatiny ny komisionina eoropeanina. Ny volany fotsiny no halain’ny FAT mba entina hanodidina ny firenena fa ny fanao izay notsipahin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena hatramin’izay mitohy ihany. Mahalala ny ataony anefa ry zareo Eoropeanina ary manana ny solontenany eto Madagasikara rahateo izy ireo izay mahafantatra tsara ny zava-misy, hany ka tsy hanome vola fahatany fotsiny amin’izao, indrindra raha tsy mazava ny amin’ny fampiharana izay voatondron’ny tondrozotra taorian’ny fanasoniavana azy. Heverina, araka izany, fa ho fizahantany fotsiny ihany ity iraka ity raha izay rehetra izay no hatao bango tokana…

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT