Tsy henoheno firy intsony ny filohan’ny antoko Ampela Manao Politika taorian’ny tsy nahalany azy intsony ho filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritanin’Antananarivo.
Miasa eny ifotony izahay izao, hoy izy, ary nisy nahatsara azy ihany ny tsy nitanana andraikitra goavana eo anivon’ny CT intsony satria afaka mifanerasera matetika amin’ny mpikambana ao amin’ny antoko tarihiko aho ankehitriny. Tany Mahajanga izahay ohatra tamin’ny herinandro lasa teo iny ary nanao lanonana fifampiharahabana nahatratra ny taona niaraka tamin’ireo mpikambana tsy latsaky ny ny 400 any an-toerana. Tsy nosandaina vola ireo sanatria fa olona resy lahatra matoa niditra ao amin’ny antoko fa tsy tongatonga ho azy. Nohafarana ry zareo amin’ny fanetsiketsehana amin’ny fanitarana ny ambaindain’ny antoko ary fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna no tena hijoroana eto dia tsy hisy fanavakavahana ao anaty fahasamihafana ary indrindra indrindra fanajana ny miralenta. Amin’izao zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny izao dia mba atao vaindohan-draharaha aminay ny fiandrianam-pirenena.
Ny soson-kevitra nataoko, hoy izy, rehefa io soridalana io no mampisy olana dia haverena soratana dia atao « magistrat » avokoa no manoratra azy fa ny Malagasy be dia be no havanana amin’izany ary samy manolotra ny mpahay lalàna solontenany ny vondrona 11 nanao sonia ny tondrozotra amin’izany. Amin’izay dia famakian-teny hentitra no hisy ka tsy hisy fandikana vilana ny lalàna intsony. Marihina fa nandalo tany Brickaville koa avy eo ity filohan’ny AMP ity ary mbola ho any Atsimotsimon’ny Nosy any indray aoriana kely ao sy any amin’ny Faritra hafa ihany koa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.