Politique

Brigitte Rasamoelina “Mila mitaiza ny tanora sy ny vehivavy ny mpanao politika”


  • Talata 12 Martsa 2019

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra sy fampianarana narahina fanontaniana ho an’ny tanora ny teo anivon’ny fikambanana FIFITAMA sy Kintan’ny Gasikara teny amin’ny centre Universitaire jésuite d’Ambohidempona ny Loholona Brigitte Rasamoelina sy ireo mpiara-miasa aminy ny sabotsy 09 martsa 2019 lasa teo.

 

 

 

Tohin’ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy izy io. Lohahevitra tamin’izany ny hoe : « Tanora sy ny fitiavana manoloana ny finoana sy ny fanatontolona ary ny soatoavina malagasy ». Ny tanora no antoky ny hoavin’ny firenena sy ny fampandrosoana, ary ny fitiavana no antom-pisian’ny olona sy iainan’ny olona indrindra fa ny tanora ka mifanandrify amin’izany indrindra no antony nisafidianana ity lohahevitra ity, hoy ny fanazavana. Tsapa fa manana andraikitra amin’ny fanabeazana maha olom-pirenena sy fitaizana ny tanora sy ny vehivavy mpanao politika fa tsy hoe manao politika fotsiny. Ny  tanjona amin’izany dia ny mba hananàna tanora matotra sy miorina tsara eo amin’ny fiatrehana ny fiainana, ka ho antoky ny fampandrosoana ny firenena, nahatonga ity loholona ity nikarakara ny famelabelarana. Marihina fa niara-niasa tamina ray aman-dreny aram-panahy izy ireo tamin’ny fanatanterahana ity famelabelaran-kevitra ity.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT