Politique

Brickaville Niverina nitokona ny SEMPAMA


  • Talata 12 Jona 2012

Nanatanteraka fivoriambe ny mpikambana ao amin’ny sempama Brickaville ny talata 29 mey lasa teo, koa dia tapaky ny mpivory fa noravana ny birao teo aloha ary voafidy ho sekretera jeneraly vaovao Atoa Razanany paul gerain.

 Araka ny famitam-baovao voaray avy any an-toerana dia misy ny olana eo amin’ny birao vaovao sy ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) ao Brickaville. Ny anton’izany moa araka ny fantatra ihany dia noho ny fangejana ny fananan’ny Sempama any an-toerana. Tsara homarihana fa efa mahenika ny Cisco iray manontolo ao Brickaville ny Sempama ankehitriny, na dia teo ihany aza ny fanakantsakanana sy faneriterena isan-karazany nataon’ireo tompon’andraikitra sasany tany an-toerana.

Tondroin’ireo mpikambana ao amin’ny Sempama Brickaville ho ao ambadik’ireo sakana sy fingampingana ireo moa ny lehiben’ny Cisco any an-toerana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, araka ny fampitam-baovao voaray ihany. Manamafy hatrany ny Sempama ao Brickaville fa dia miray feo amin’ireo namany mpiara-mitolona manerana ny nosy, ary tsy hihemotra amin’ny fitakiana. Miantso hatrany ireo mbola misalasala, na tsy resy lahatra na tsy mahatsiaro tena tsara izy ireo, mba hanatevin-daharana ny fitakiana, indrindra moa fa ireo mpampianatra any ambanivohitra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT