Politique

Brian Currin Nanomana ny fiverenan’i Dada


  • Sabotsy 14 Jona 2014

Anisan’ny fepetra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny mpitondra fanjakana Malagasy vaovao ny fijerena akaiky ireo vary mangatsiaka tsy mbola tanteraka voalazan’ny tondrozotra.

Iray amin’ireny ny fampodiana ireo Malagasy sesitany politika, mbola tafajanona any ivelany. Voakasik’izany manokana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Azo ambara fa mizotra miadana sady milamina ny resaka ankehitriny. Porofon’izany ny nahatongavan’ilay mpisolovava afrikanina tatsimo Brian Currin teto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany amin’izao diany eto Madagasikara izao ny fifampidinihana amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny misahana izany, toy ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ny filohan’ny Antenimieram-pirenena. Tsy mbola misy mahalala ny tena vaovao momba azy ity moa saingy inoana kosa fa ny manodidina ny daty raikitra hiverenan’ny filoha teo aloha amin’ny fotoana mahamety azy araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT