Politique

Branco Nantenaina Mpanao politika mihetsika any amin’ny sehatry ny fanatanjahantena


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011


 Vonona ny hijery akaiky ireo rehetra mila fanampiana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena aho na avy amin’ny Faritra aiza na avy amin’ny Faritra aiza, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Branco Nantenaina avy any Morombe, satria ny tsy fisian’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanohanana ireo tanora no tsy mampandroso ny fanatanjahantena eto amintsika. Nanombohana izany hetsika izany ny sabotsy teo tetsy Antanimbarinandriana ny fanolorana fotsimbary 50 kg sy rano "fisotro madio10 packs ary vola iray hetsy ariary ho an’ny ekipa vehivavy mpilalao baolina avy any Atsimo Andrefana dia ny AS COMATO izay mandray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena eto Antananarivo ankehitriny ary tsy maintsy hijanona eto mandritra ny 10 andro. Tsara fanombohana moa ireto ekipan’ny COMATO ahitana mpilalao 22 ireto tamin’ny fiatrehany ny lalao voalohany ao amin’ny sokajy misy azy tamin’ny zoma teo fa nandresy an’i Boeny 7 no ho 1. Anio izy ireo no hifanandrina amin’ny ekipa avy any Vatovavy Fitovinany. Sambany izahay mba nisy nijery sy nanolo-tanana tahaka izao, hoy i Isabelle kapitenin’ny ekipa, ka hisaorana ny filohan’ny ligy, Atoa Raherisoa, nanao izay nety tamin’ny fikarakarana anay hatramin’izay.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT