Manaratsy endrika an’i Madagasikara ireny herisetra nihatra tamin’ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena Laza Razafiarison, hoy i Botozaza Pierrot raha naneho ny heviny mikasika ny nisamborana tamin-kery ity kandida filoham-pirenena ity ny talata 23 jolay teo sy nampidirana am-ponja vonjimaika azy eny Antanimora. Tsy voahaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona. Kandida filoham-pirenena ve dia hotaritarihina toy ny biby toy ireny, hoy ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria. Nampahatsiahy i Botozaza Pierrot fa fifidianana madio, demokratika ary eken’ny rehetra no tanjona hivoahana amin’ny krizy, ka tsy tokony hitranga ny toy ireny. Mila fitoniana eto mialoha ny fifidianana, raha tiana ho azo antoka sy demokratika izany. Koa “avelao haneho hevitra malalaka ny olona”, hoy ity Praiminisitra lefitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, “sokafy ireo fahitalavitra sy radio nakatona, avelao hitovy zo ny kandida tsirairay avy”.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.