Nijoroan’Atoa Botozaza Pierrot, praiminisitra lefitra nisahana ny indostria sy ny toekarena tao amin’ny governemantan’ny tetezamita niaraha-nitantana, ary anisan’ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, ny filazana fa mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ny tenany fa tsy nahavita namerina ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana hatramin’izao, tsy nahasokatra ireo haino aman-jery rehetra nakaton’ny FAT ary ny mbola fisian’ny gadra politika any am-ponja mandrak’ity ny androany. Marina, hoy izy tetsy amin’ny Magro Behoririka Magro ny sabotsy teo, fa tena nandresy lahatra ireo tao amin’ny fitondram-panjakana tetezamita rehetra izahay fa nijanona tamin’ny valinteny hoe : “hojerena” daholo izany ny resaka fa tsy nisy fanatanterahana avy amin’izy ireo. Nanolotra vary 23 gony ho an’ireo mbola voatana any am-ponja sy ho an’ireo zokiolona tena mpitolona tsy tapaka izy. Feno fitiavana sy firaisankina ianareo eto amin’ny Magro, hoy izy, ka isaorana anareo izany. Ho avy matetika ny tenako hanampy anareo, hoy i Botozaza. Ny hamerenana ny ankolafy Ravalomanana toy ny tamin’ny taona 2009 no tanjona. I Dada tsy tonga no tsy mampisy raharaha manjary eto ka aza matahotra fa tsy maintsy ho antsika indray ny fitondrana, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.