Tanteraka omaly folakandro ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny praiminisitra lefitra nisahana ny Toekarena sy ny Taozava-baventy Botozaza Pierrot sy ireo minisitra roa vaovao Jules Etienne Rolland, misahana ny Taozava-baventy, ny Fampiroboroboana ny Sehatra tsy miankina sy ny orinasa madinika sy salantsalany ary Raveloharison Herilanto miandraikitra ny Toekarena sy ny Teti-pivoarana. Efa miverina ny fifandraisana amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena, hoy ny praiminisitra lefitra. Porofon’izany ny fahatongavan’ny iraka avy amin’ny FMI eto amintsika manomboka anio izay haharitra 15 andro.
Hitafa sy hifampidinika amin’ny governemanta vaovao momba ny fandaharanasa sy paikadin’ny fitondrana Malagasy izy ireo. Hiverina ho olom-pirenena tsotra i Botozaza Pierrot manomboka eto. Tsy nanambara rahateo izy raha efa misy andraikitra nampanantenaina azy taorian’iny asa tao amin’ny governemanta niaraha-nitantana iny. Ny re dia hoe manam-pikasana ny hamelo-maso ny orinasan-drainy tany Maroantsetra izy, orinasa fanamboarana sambo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.