Tsy mbola afaka milaza ny anaran’olona misolo an’i Lalao Ravalomanana ny ankolafy Ravalomanana, hoy ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot.
Na dia efa mandeha aza ny feo fa mety ho izy io olona hotohanan’ny ankolafy io dia nilaza ny tenany fa i Lalao Ravalomanana ihany no tokony hanambara izay hisolo azy. “Vonona aho raha izaho no voasafidy nefa koa vonona hanampy izay kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ny tenako”, hoy izy. Na dia niaiky koa aza ity farany fa efa dila ny fe-potoana ahafahana mametraka fangatahana fanoloana kandida eo anivon’ny CES dia nanamafy izy fa tokony hoeken’ity rafi-pitsarana ity io fangatahana io mba hitokisan’ny olona ny fifidianana sady antoka hisian’ny fitoniana rahateo izany. “Raha tsy ny rehetra no mandray anjara dia sarotra ny haneken’ny besinimaro ny valim-pifidianana eo”, araka ny hevitry ny praiminisitra lefitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ihany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.