Namory ireo Tangalemana sy “Notables” ary ireo lehiben’ny fikambanana ara-poko misy ao Toamasina renivohitra sy ny manodidina ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot ny sabotsy maraina teo, tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Melville” Ambolomadinika.
Voasolotena avokoa ireo “Fikambanam-poko 18” ao Toamasina izay efa manana ny fikambanambeny ihany koa. Nandritra izany no nifampidinihan’izy ireo ny fametrahana fikambanana raiamandreny matanjaka sy eken’ny rehetra ary mba tena fakan-kevitra marina mikasika ny fandrindrana ny fiainam-piarahamonina. Nomarihan’Atoa Botozaza Pierrot fa olana goavana nateraky ny fanonganam-panjakana fototr’izao krizy mampahantra ny vahoaka Malagasy sy nampivarina an-kady ny fiainam-pirenena izao, ny tsy fanajana intsony ny hasin’ny ray aman-dreny sy ny Tangalamena ary ireo Ampanjaka lehiben’ny fiaraha-monina Malagasy sy mitana ny soatoavina. “Natao teny fanao ny famavomavoana sy miteny fotsy rora ireo olo-maventy isam-poko sy isam-paritra ireo, ka izao hitantsika izao ny fikorontanan’ny fiaraha-monina sy ny tsy fisian’ny fifampitokisana ary ny fisaritahana ara-pianakaviana izao”, hoy hatrany ny praiminisitra lefitra misahana ny toe-karena sy ny indostria. Nilaza moa Atoa Botozaza Pierrot fa “vonona ny tenany amin’ny fametrahana izay fiaraha-miasa sy ny hasin’ny olo-maventy ao Toamasina izay; ka ho tena antoky ny famerenana ny hasin’ny fiaraha-monina, sy ny soatoavina Malagasy ary ny hasin’ny fihavanana marina ireo Tangalamena sy Olobe ary olo-maventy isam-poko ao Toamasina ireto”. Tanjona ny hitaran’izany isam-paritra manerana ny Nosy, satria ilaina eto amin’ny firenena ny fampihavanana sy ny fihavanana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.