Mazava ny resaka ankehitriny fa dia tsy tenieran’ny governemanta ny namoahana ilay didy hitsivolana nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny zoma 09 aogositra teo manome alalana ny hanovana ny lisitry ny kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena.
Fantatra mantsy fa tsy nandany azy io ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Manambara ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena Botozaza Pierrot fa sady manosihosy ny fiandrianan’ny fitsarana Malagasy ny famoahana io didy hitsivolana io no tsy manaja ny didim-pitrarana efa nivoaka. Rehefa izay dia nampahatsiahy ny andininy faha-11 ao amin’ny tondrozotra izay mamaritra ny asan’ny CES sy ny andininy faha -45 milaza fa mahaleotena ny fitsarana malagasy aminy famoahana didy, i Botozaza Pierrot. Izay indrindra no nilazany fa «raha mandany an’io didy hitsivolana io ianareo dia mangataka aho mba tsy hatao ao anatin’ireo manaiky izany ny ankolafy Ravalomanana, indrindra fa ny tenako Botozaza Pierrot».
Nanipika mazava ny praiminisitra lefitra fa tsy te ho tompon’andraikitra amin’izay mety ho vokatry ny fampiharana io didy hitsivolana io ny tenany, satria tsy hitondra filaminana eto amin’ny firenena io. «Araka ny fahafantarako azy dia tsy manana zo hanova ny fehin-kevitra navoakan’ny CES teo aloha ny CES vaovao. Gaga aho androany fa manaiky izany ianao andriamatoa filoha (Rajoelina) sy ianareo mpikambana sasany ato amin’ny governemanta. Miovaova hevitra arakaraka ny tombotsoanareo manokana ianareo», hoy i Botozaza Pierrot. Nilaza mazava ity farany fa «manana ny mpanaraka azy ireo kandida tianareo hailika ireo, fa indrindra i Lalao Ravalomanana”. “Mieritreritra ve ianareo fa ho faly ireo mpanaraka azy ireo raha voahilika ireo kandida ireo ?», hoy izy. Na izany aza dia matoky ny CES vaovao ny tenany, fa tsy handairany tsindry politika.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.