Politique

Botozaza Pierrot Ampiharo ny tondrozotra !


  • Talata 12 Jona 2012

Hatramin’ny omaly dia nilaza Atoa Botozaza Pierrot, praiminisitra lefitra misahana ny toekarena, fa tsy mbola voafaritra mazava ny daty mety hihaonan’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina.

 Nanamafy kosa anefa izy fa tsy maintsy hisy io fihaonana io ary tsy tokony ho ela intsony izany. Momba ny fisintahan’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny fitondrana tetezamita indray dia nambarany fa natao izany ho fanairana ny mpitondra fa tena misy zavatra tsy mety eto. Tsy voahaja ny zavatra nifanarahana dia ny tondrozotra izany, hoy izy. Nomarihany fa samy tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony ny tsirairay avy. Ny ankolafy Ravalomanana dia mihevitra, hoy ihany Atoa Botozaza Pierrot fa fanapahan-kevitr’ankolafy tokana no misy eny anivon’ny parlemanta, izany hoe ny CT sy ny CST amin’izao fotoana. Tsy izahay mihitsy no mampikatso ny famahana ny krizy, hoy izy, nampiany fa efa nampiseho fahavononana ny ankolafy Ravalomanana raha nanasonia ny tondrozotra sy nanaiky niditra tao amin’ny rafitra tetezamita.

Nisy ireo zavatra tsikaritra fa tsy nandeha araka ny tokony ho izy, efa nambara tamin’ny tompon’andraiktra isan-tsokajiny izany saingy tsy nisy ny fandraisana fanapahan-kevitra matotra. Koa dia izany no nahatonga ity ankolafy ity nisintaka tamin’ny tetezamita. Nanamafy anefa i Botozaza Pierrot fa tsy miala amin’ny tetezamita tsy akory ny olon’ny ankolafy Ravalomanana, fa na dia tsy manatrika fivoriana amin’ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra ary ny eny amin’ny parlemanta, dia manatanteraka kosa ny asan’izy ireo andavanandro, any amin’ny birao sy amin’ny sehatra misy azy tsirairay avy. Tsotra ny fitakian’ny ankolafy Ravalomanana, hoy i Botozaza Pierrot dia ny hoe : ampiharo an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra dia milamina ny resaka. Sarotra ny inoana fa hisy fifidianana madio sy mangarahara ary milamina izany eto raha toa ka tsy mihatra araka ny tokony ho izy ny tondrozotra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT