Politique

Boriborintany voalohany Saika HVM sy TIM avokoa ireo sefo fokontany nesorina


  • Talata 12 Novambra 2019

Sefo fokontany miisa 13 amin’ireo fokontany miisa 44 mandrafitra ny boriborintany voalohany eto Antananarivo Renivohitra no nesorina sy nosoloina tamin’ny toerany ny herinandro teo, raha ny fampitam-baovao voaray.

 

 

 Fa angaha moa tsy efa ny avy eo anivon’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI mihitsy no nanamafy fa araka ny lalàna dia fidiana ireo mpitantana fokontany fa tsy tendrena ? Mahagaga fa ao ankatoky ny fifidianana no misy fanoloana filoham-pokontany toy izao. Raha ny fanamarinam-baovao hatrany dia saika mpitantana natolotr’ireo antoko politika mpifanandrina mivantana amin’ny vondrona sy antokon’ny fitondrana avokoa ireto nalana tamin’ny toerany ireto, izany hoe mpikambana HVM sy TIM. Anisan’ireo malaza ho nisalotra ny sary mangamanga, ohatra, ny ao Ankasina sy Andavamamba sy Anatihazo I. Malaza ho zanak’I Dada nesorina tamin’ny toerany kosa ny ao Faravohitra mandrosoa sy Faravohitra ambony.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT