Ny kandida ho depiote, Jean Navandahy Ratiharison, izay kandida tsy miankina tohanan’ny fikambanana Za’Gasy sahy
mandroso no tonga nandrotsaka ny dosie filatsahan-kofidiana voalohany tetsy amin’ny birao misahana ny fandraisana izay antontan-taratasin’ity boriborintany ity izay na ny OVEC etsy Mandroseza. Tsy mbola fantatro hatramin’izao ny hanao fa izaho matoa tonga aloha dia mariky ny fahavononana izay, hoy izy. Andron’ny tanora izao ka aleo ny tanora handray andraikitra. Tsy manana kandida mpifaninana aho fa ny fahantrana no mpifaninana amiko, hoy hatrany ny tenany ary ny volavolan-dalàna miisa 15 tiako hampidirina ao amin’ny antenimieram-pirenena dia mahakasika indrindra ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.