Tsirin-kevitra efa ela no tato anatiko ny hanao asa fanasoavana ny mpiara-belona noho ny fanambinana nomen’Andriamanitra ny tenanay raha mahita ny manjo ny vahoaka ety amin’itony Boriborintany faharoa itony, hoy Atoa Randrianarisoa Stanislas kandidŕ ho depiote an’ny ankolafy Ravalomanana ao amin’ity faritra ity.
Raha somary nisalasala kely ny tenako hatrizay dia tapakevitra kosa ankehitriny noho ny antsoantson’ny vahoaka tsy misy farany. Ny fieritreretan’ny olona izany solombavambahoaka izany hatreto, hoy izy, dia fakana toerana hanatanterahana ny sitra-po sy hampanjakana ny fitiavantena. Amiko anefa raha olona tsara sitrapo dia tsy fitiavantena fa fitiava-tanindrazana no tena ilaina eto amin’ity firenena ity. Manana soson-kevitra maro homena ny mpitondra mahefa ho avy izahay hoentina hampandrosoana an’i Madagasikara tahaka ny hoe resaka tsy fandriampahalemana eto amin’ny tanàna, ny fitohanan’ny fifamoivoizana (soa fa nisy an’i Dada nanao an’ireny “By Pass” sy “Boulevard de l’Europe” ireny fa mbola tsy ampy). Hampanjariana ho lalàna izany sosonkevitra izany amin’ny alalan’ny fitondrana azy eny amin’ny Antenimierampirenena rehefa lany soa amantsara ny tenanay. Azo hampandrosoana tsara ity Madagasikara ity amin’ny alalan’ny fitiava-tanindrazana hataon’ny tsirairay. Ambarako etoana, hoy ny kandidà Randrianarisoa Stanislas, fa izay mpitondra lanim-bahoaka ho avy eo dia ho tohananay fa izay no nahavoa antsika hatreto. Na izany kosa aza misy “discipline” arahina ao anaty ankolafy ka efa fantatra ny toromarik’i Dada fa hampandany ny kandidà Robinson Jean Louis izahay ao amin’ny Boriborintany faharoa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.