Nanome fitaovana ho an’ireo mpamafa lalana ao amin’ny Boriborintany faha-4 ny depiote, Félix Randriamandimbisoa.
Nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana. Fitaovana hoentina mamafa lalana sy manadio tanàna maro no natolotra, toy ny kofafa, borety, siny, fourche sy ny maro hafa. Miezaka amin’ny fanadiovana ny tanàna sy ny tsena ao amin’ny boriborintany faha-4 ireo mpamafa lalana ireo. Tsy ampy anefa ny fitaovana ka nahatonga izao fanomezana izao. Ankoatra izay, 97 no mpiasa mpamafa lalana ao amin’ity boriborintany ity. Tsy ampy ihany koa io isa io fa mbola mila hampiana olona 40 hisahana ireo faritra 7 ao anatin’ny Boriborintany. Nanambara ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa hisy ny fampidirana mpiasa mpamafa lalana vaovao hanampy azy ireo, saingy miankina amin’ny fampidiran’ny Boriborintany vola.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.