Politique

Boriborintany faha-2 sy ny mpomba an-dRavalomanana Nifampiarahaba nahatratra ny taona niaraka tamin’ny depiote Rastany


  • Talata 30 Janoary 2018

Nifamotoana teny Ambohipo nifampiarahaba noho ny fahattrarana ny taona 2018 ny mpikambana TIM ao amin’ny boriborintany faha-2 sy ireo mpomba ny prezidà Ravalomanana nahatratra 2000 olona ka ny depiote

 

TIM Randrianarisoa Stanislas voafidy tao amin’io boriborintany faha-2 io no nandrindra ny lanonana tamin’ny ankapobeny. Arahabaina ny rehetra nahatsipaka an’iny taona nahadifotry ny fahantrana ny Malagasy iny, hoy izy, nefa dia hisaorana an’Andriamanitra betsaka ny mbola nanomezany tombon’andro antsika mianakavy hamakivaky ny 12 volan’ity taona 2018 ity izay tsy hanekentsika ny ho gisitra intsony. Mafy orina ny fototra natsangana niaraka tamin’ny filoha mpanorina ny antoko Tiako i Madagasikara, hoy ihany ity depiote ity, matoa manatona indray ilay fotokevitra novoiziny hatramin’izay dia ny fanoizana ny fampandrosoana efa natombony tamin’ny fotoana nitondrany.

Raha nilaza ny heviny mikasika ny fanakatonana ny orinasa AAA any Vakinankaratra ataon’ny fanjakana ny depiote Rastany dia tsy nisalasala nanambara fa : amin’ny maha olombelona tsotra fotsiny izao dia malahelo amin’ny zava-misy ny tenany satria any ivelany, hoy izy, dia tambatambazana ny mpandraharaha ao aminy (heverina hananganana an’izao ZES sy ny karazany izao…) fa tsy mba hilana antsojay mihitsy nefa eto amintsika dia ny orinasa vahiny indray no mahazo tambitamby amin’ny fanjakana fa ny orinasan’ny Malagasy dia io ilana antsojay lava io.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT