Politique

Boaderozy tratra tany Singapour Nangataham-panazavana ny filoha Malagasy ?


  • Talata 24 Mey 2016

Re izao fa napetraky ny fitsarana any Singapour amin’ny toerana sarotra ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina momba ilay raharaha fitsarana fanondranana andramena an-tsokosoko izay mandeha any an-toerana.

 

 Izay no zavatra re avy any Singapour saingy tsy misy moa ny fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny fitondram-panjakana Malagasy. Fantatra mantsy izao fa nangataka tamin’ny filoham-pirenena malagasy ny maha marim-pototra na tsia ilay taratasy fanomezan-dalana nanaraka ireo entana tamin’ny taona 2014 ny fitsarana any Singapour. Mitodika any amin’ny filoham-pirenena izany ankehitriny ny mason’ny mpanara-baovao eran’izao tontolo izao. Hanaiky ve izy fa marim-pototra ireo taratasy navoakan’ny minisiteran’ny tontolo iainana tamin’izany fotoana, fony Anthèlme Ramparany no minisitra ? Midika izany fa nandika lalàna ny fanjakana satria efa nisy ny didy nivoaka fa haato aloha ny fanondranana sy fivarotana ireo hazo sarobidy Malagasy. Raha handà indray izy ary hilaza fa tsy ara-dalàna ireo taratasy ireo dia ny minisitra ny tontolo iainana tamin’izany fotoana Anthèlme Ramparany izay efa nanambara fa ara-dalàna ireo fanomezan-dalana ireo no tokony hitondra fanazavana momba an’ireo fanomezan-dalana ireo. Ny minisitra teo aloha Anthèlme Ramparany izay efa lasa solombavambahoaka ankehitriny ka manana ny zo tsy azo tohintohinina mandritra ny fotoam-piasany. Manoloana izany rehetra izany anefa ny minisitry ny tontolo iainana ankehitriny ny Dr Ndahimananjara Johanita dia mahazo tsindry iraisam-pirenena mafy ary  poretin’ny lalàn’ny CITES (Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d'extinction). Nanambara ny minisitry ny tontolo iainana ankehitriny fa hohamafisina ny lalàna ho fanenjehana ireo mpanao trafikan’ andramena, ary ampandalovina eny anivon’ny antenimerampirenena izany lalàna izany. Ho hita eo izay mafy na ny fikambanana iraisam-pirenena CITES izay efa mandrahona ny manasazy an’i Madagasikara na ireo mpanao trafikan’andramena izay manararaotra toy ny banga mihomehy  alina 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT