Politique

Boaderozy tratra tany Maorisy Atao takalon’ny ZES any Tolagnaro ?


  • Zoma 01 Aprily 2016

“Tazonina eto Toamasina eo ambany fanaraha-mason’ny fanjakana ireto boaderozy ireto, eo am-piandrasana ny tolo-bidy iraisam-pirenena atao aminy”.

 

 Izay no nambaran’ny minisitry ny vola sy ny tetibola Rakotoarimanana Gervais izay tonga tao Toamasina mihitsy, nijery ny fahatongavan’ireto kaontenera enina misy ireo andramena naondran’olona an-tsokosoko tany ivelany ary tratra tao Maorisy ny jona 2011. Milanja 120 taonina izy ireo, anatina kaontenera enina. Nomarihan’ny minisitry ny vola sy ny tetibola fa miandry ny fahavitan’ny fanadihadiana ataon’ny CITES eto amintsika ny fanaovana ilay tolo-bidy iraisam-pirenena, ka heverina fa afaka enim-bolana no hanaovana azy, izany hoe any amin’ny volana septambra na oktobra any ho any. Ho an’ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia, ny ranomasina ary ny ala Beboarimisa Ralava kosa, dia nomarihany fa ny ezaky ny filoham-pirenena tamin’ny fifanarahana nataony tamin’ny fanjakana Maorisianina no nahafahana nampody an-tanindrazana ireto harem-pirenena saika nisy nanao trafika tratra ireto, ka tsy maintsy hohamafisina ny fiarovana azy mandra-piandry ilay tolo-bidy amin’ny ho famarotana azy indray. Mampieritreritra ihany ilay hoe fifanarahana voalaza eto satria nifanandrify tamin’ny nahazoan’ny Maorisianina ilay faritra ara-toekarena manokana (ZES) any Tolagnaro ny famerenana tampoka ireo hazo sarobidy ireto ka mahatonga hieritreritra hoe takalom-patsa vidim-pihinana ve izany izy ity. Izany hoe naverina ny boaderozy dia nomena tany malalaka any atsimo hiasany ny Maorisianina.

 

Singapour

Raha ny momba ireo boaderozy miisa 30.000 tratra tany Singapour farany teo kosa dia naka mpisolovava iraisam-pirenena niady izany teo anivon’ny fitsarana tany Singapour ny fanjakana Malagasy ka nandresy saingy tsy haverina eto an-tanindrazana izy ireo fa hazonina any Singapour ihany mandra-piandry ny tolo-bidy iraisam-pirenena atao aminy ihany koa. Ny tena nanaitra tamin’izao raharaha izao nandritra ny famindrana sy fanisana ireo andramena, dia nahitana andramena hosoka maromaro tao anatin’ireo kaontenera ireo, izany hoe sady efa naondrana an-tsokosoko no mbola nofitahin’ireo nanondrana azy ihany koa ireo saika hividy azy tany ivelany.

 


 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT